Any Ivelany

Tsy fisian’ny tongolo any Bangladesh Nandray andraikitra avy hatrany ny fanjakana


  • Zoma 22 Novambra 2019

Ny orana be nahazo an’i India ka niantraika tamin’ny famokarany no nahatonga azy tsy hanondrana tongolo intsony.

 

 

 

 Voakasika tamin’izany ireo firenena fanondranany ary tsy vitsy no nahitana fisondrotam-bidy. Anisan’ireny i Bangladesh izay mpanjifa ny 2/3-n’ny famokarana tongolo any India noho ny sakafon’izy ireo tena miankina amin’izany ny ankamaroany. Tsy nipetra-potsiny kosa anefa ny fitondram-panjakana tany fa nitady mpanondrana vaovao ka anisan’izany ny tany Birmania sy Egipta. Misy ihany koa ireo tongolo namidy mora ho an’ireo mponina ambany fahefa-mividy ka ny fanjakana no tompon’antoka. Tsara alain-tahaka ny fandraisan’andraikitra sahala amin’itony eto amin’ny firenena. Raha ny vary tokoa mantsy no foto-tsakafon’ny Malagasy dia manototra tanimbary indray no ataon’ny fitondrana. Tsy maintsy hanafatra vary hatrany ny firenena Malagasy ary vahaolana tsy mipaka amin’ny rehetra ny tsena mora sy ny vary mora.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT