Any Ivelany

Tsy fanajana zon`olombelona Manameloka ny Frantsay ny Firenena Mikambana


  • Zoma 08 Martsa 2019

Voalaza ao amin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna fa tsy azo atao ny manohintohina ny vatana sy fahasalaman’ny olombelona.

 

 Miha ratsy toerana i Frantsa momba ny zon`olombelona manoloana ny fampiasan-kery amin`ny hetsiky ny “Gilets Jaunes”. Nitaky ny fanokafan`ny frantsay fanadihadiana momba ny fampiasan-kery ataon`ny polisy ny firenena mikambana amin`ireo mpanao fitokonana mba hisian`ny fifampiresahana. Isan`andro dia misy ny hetsika manerana ny tanàna fa misy kosa ny hetsika lehibe hitambarana ao Parisy isaky ny sabotsy ka matetika miafara amin`ny fampiasan-kery, baomba mandatsa-dranomaso izay miteraka korontana sy fahasimban-javatra toy ny fiara. Raha ny tatitra navoakan`ny minisiteran`ny atitany frantsay ny 4 febroary lasa teo dia miisa 12 122 ny tifitra tamin`ilay LBD misy bala fingotra, 1 428 baomba lakrimozenina ary grenady fanaparitahana miisa 4 942 no nirefotra nandritra ny herinandro maromaro. Tafiditra ao anatin`ny herinandro faha-17 ny hetsika amin’ny sabotsy ho avy izao izay efa nanomboka ny tapaky ny volana novambra. Raha tsiahivina, tsy eken`ny maro an’isa intsony ny fiakaran`ny vidin-tsolika. Tao anatin`ny herintaona monja, ny lasantsy niakatra 15%, ny gazoala nanatombo 23%. Mirotsaka any amin`ny kitapom-bolam-panjakana avokoa ny 2/3 avy amin`ireo vidin-tsolika ireo. Nanambara ny fitondrana frantsay fa ny vidin`io akora io eo amin`ny tsena iraisam-pirenena no mahatonga izany, mety hitohy hatramin`ny 2022. Firenena iray iharan`ny sondro-bidin`ny solika matetika isika nefa tsy hita hatreto ny fanoherana azy.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT