Mafampana ity faramparan’ny 2025 ity raha ny vaovao misongadina eo
amin’ny sehatry ny politika any ivelany. Nipoitra indray ny herin’ny tambajotra sosialy ho toy ny vavahadin’ny fahatezeran’ny vahoaka. Tao Frantsa, ny hetsika “Bloquons tout” dia niainga tamin’ny fanentanana anaty tambajotra, niteraka fanakanana tanàna, fanoherana ara-politika, ary fitakiana mivantana ny fialan’ny Filoham-pirenena. Tao Népal, ny fanakatonana tampoka an’i Facebook, YouTube, X, ary LinkedIn dia niteraka fipoahana tsy voafehy: tanora an’arivony nidina an-dalambe, nanao hetsi-panoherana, nitaraina amin’ny fanambaniana sy ny rafitra nepotista. Nampiasaina ny teny fototra « NepoBaby » sy « NepoKid », ho fanoherana ny fanjakazakan’ny taranaka mpitondra. Tsy resaka tambajotran-tserasera fotsiny no fototry ny olana, fa fanoherana ny fitantanana tsy mahomby, kolikoly mandrakotra ny rafitra rehetra izay mametraka an’i Népal ho faha-107 amin’ny firenena 180. Aiza izany raha ny antsika faha-140 ? Mpitondra ambony akaiky indridra ny Filoha voasambotry ny Firenen-dehibe tany ivelany , Minisitra voasaringotra tamina afera goavana maromaro nodiovina ho lasa depiote,… Vokatry ny fifandonana tao Népal, 19 no maty, 400 mahery naratra, ary niala an-terisetra ny Praiminisitra Khadga Prasad Sharma Oli. Ireo tranga roa ireo dia manamafy fa tsy tambajotra fotsiny no mihetsika, fa vahoaka manontolo. Tsy azo hamaivanina ny tambajotra sosialy, satria fitaratry ny fihetseham-pon’ny olom-pirenena. Eto Madagasikara anefa, nisy nilaza fa “6% imbeciles” ny mpanao Facebook, ary mpitondra farantampony mihitsy no naneso hoe: “Izay tsikera sy kaomantera 1000 na 1500 ve?” Fanambarana manambany, manamaivana, ary manadino fa ny tambajotra dia sehatra itarainan’ny vahoaka, itarafana ny tsy rariny, ary itarafana ny fahatezerana. Tsy tambajotra no mampipoaka ny hatezerana, fa ny tsy fihainoana, ny tsy fanajana, ary ny tsy fahatsapan’ny mpitondra ny tena zava-misy. Mba handray lesona toy ny tany Japon ve hoe : niala ny Praiminisitra rehefa nahatsapa ny tsy fahombiazany, ary nanaiky mora rehefa noresen’ny vahoaka tany anaty fifidianana ?
TSY MISY MAFY BE IZANY ! HANDRAY LESONA SA HIDINGIN-DRAMBO?
Tsy voafehy ny fahatezerana rehefa mipoaka. Tamin’ny 1991, na ny Amiraly Ratsiraka manamboninahitra tena « stratège » aza no filoha, dia tsy nahatana ny vahoaka. Ary ireo nisolelaka sy nilaza fa manohana dia nilaza hoe: “homboy! homboy!” rehefa tonga ny fotoana. Nangotraka ny grevy 2002 raha noheverina fa miverina amin’ny heriny amiraly taorian’ny nialany ny 1991 sy nahatafaverenany fotoana fohy. Miaiky an’io na ireo olona niara-dia tamin’ny Amiraly aza fa rehefa ny vahoaka no mihetsika dia tsy misy fanafana. Dia nirefotra ihany koa ny fanonganam-panjakana 2009 izay isan’ny nanamarika ny tantara ny tenin’ny Filoha Marc Ravalomanana izay nahatoky tena tamin’ny hoe : « tsapaho aloha ny herinareo », ka nampahazo vahana an’i Andry Rajoelina. Mba naka lesona ve ny Fitondrana Rajoelina ? Raha jerena ny laharana ratsy samihafa dia mazava ny tsy fahombiazan’ny fitondrana: faha-147 amin’ny fivoaran’ny maha olona na IDH (Human Development Index), faha-142 amin’ny zon’olombelona, faha-130 amin’ny kolikoly kanefa i Népal aza faha-107, faha-162 amin’ny fahantrana sy toekarena. Tsy mba ho tonga saina ve ny fitondrana Rajoelina? Tsy mba tsapany ve fa tsy fanamboarana kianja sy teleferika no mamaha ny olana fototra, fa fihainoana, fanovana, sy fahatsapana ny tena zava-misy? Ny tambajotra sosialy dia tsy fahavalo. Fa feon’ny vahoaka, fitaratra, ary fampitandremana. Raha tsy henoin’ny mpitondra, dia hiteny amin’ny fomba hafa ny vahoaka eny an-dalambe, eny amin’ny fiainana andavanandro, ary mety ho tsio-drivotra ny zava-misy any ivelany, na sokajiana ho efa malemy tsy afa-mihetsika aza ny Malagasy. Tsy fiantsoana korontana na grevy, fa fampisaintsainana ka hahatsapan’ny vahoaka fa any aminy hery ary afaka manova izy rehefa tsy mihaino ny mpitondra, ka raha tena tonga saina mandeha mifidy ohatra ny maro an’isa, miova ny tantara ! Tahaka izany ihany koa ny mpitondra hoe : rehefa tonga ny fetra farany : tsy misy tambajotra, tsy misy rafitra, tsy misy hery afaka manakana ny fipoahan’ny fahatezerana, ka anjaran’ny mpitondra no misafidy na hivoaka amin’ny varavarambe na hisaoty any anaty kizo ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.