Any Ivelany

Tontolon’ny internet Ho avy eto Madagasikara ny Starlink…


  • Zoma 12 Aprily 2024

Tsy ho ela dia ho afaka hiasa sy hamatsy aterineto na «internet»

amin’ny alalan’ny satelita eto Madagasikara ny Starlink, izay an'ilay mpandraharaha amerikana Elon Musk, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Efa mamaraparana ny pitsopitsony takian'ny fanjakana aminy ity orinasa ity amin'izao, hoy ny fanazavana. Isan'ny tena tombontsoa voalohany amin'ity tolotra avy amin'ny satelita ity ny fahazoana aterineto any amin'ny toerana rehetra na aiza na aiza, na eny ampovoan-dranomasina be na any amin'ny dezaka be tsy misy tambajotra na «réseau». Tsy dia mila fotodrafitr'asa mavesatra be koa ny fametrahana azy fa moramora kokoa, hoy hatrany ny fanazavana. Ny mety ho sarany kosa no mbola mampametra-panontaniana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT