Tolona ho an’ny tombotsoam-bahoaka

Azo handraisana lesona ny ataon’ny Frantsay…


  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Miha mafana ny krizy any Frantsa. Niroso tamin’ny

fihetsiketsehana goavana ny vahoaka manodidina ny 30 000 tamin’ny tanàna maro omaly 10 septambra, tao anatin’ny hetsika “Bloquons tout” izay natsangana sy niely tamin’ny tambajotra sosialy. Grevy izay voasokajy ho isan’ny mafy indrindra taorian’ny Gilets jaunes. Tao Paris, Nantes, Marseille, Rennes, Bayonne, ary tanàna maro hafa. Nidina an-dalambe, nanakan-dalana, nandoro fako sy nanakorontana toeram-pivarotana lehibe, nifandonana tamin’ny mpitandro filaminana, nitora-bato,... Na dia efa niala aza i François Bayrou tamin’ny toeran’ny Praiminisitra taorian’ny fitsipaham-pitokisana, dia tsy nampiato ny hetsika izany. Tsy voafetra amin’ny olona iray ny olana, fa rafitra manontolo no tsikerain’ny vahoaka. Ny tetibola 2025, izay manapaka fanampiana ara-tsosialy, manamaivana ny tolotra ho an’ny vahoaka, ary manampy trotraka ny fahasahiranana, no tena fototry ny fitarainana,... Ny fanesorana andro fialan-tsasatra roa, ny fanapahana fanampiana amin’ny fianarana sy ny fahasalamana, ary ny fanitsiana amin’ny sehatra maro dia heverin’ny maro ho mamotika sy mampihen-danja tsikelikely ny fiainana andavanandro. Ankoatra izany, efa napetraka ara-dalàna ny “motion de destitution” hanesorana an’i Emmanuel Macron amin’ny maha-Filohan’ny Repoblika azy. Ny antoko La France Insoumise (LFI), niaraka amin’ny vondrona ekolojista sy komonista, dia nanao fandrosoana ofisialy amin’ny alalan’ny Article 68 ao amin’ny Lalàm-panorenana frantsay. Ity hetsika ity dia mikendry ny hananganana Haute Cour hanombana raha nanao “manquement grave à ses devoirs” ny Filoham-pirenena. Efa nosoniavin’ny 86 mpikambana ilay « motion », saingy sarotra ny lalana: mila fankatoavana amin’ny 2/3 amin’ny Assemblée sy Sénat, ary fanapahan-kevitra avy amin’ny Haute Cour. Na izany aza, ny hetsika omaly, dia manamafy ny fitakiana ny fanesorana an’i Macron. Araka ny nambaran’i Mathilde Panot, filohan’ny LFI ao amin’ny Assemblée Nationale, dia tsy ampy ny fanoloana Praiminisitra, fa i Macron mihitsy no tokony hiala. “Bayrou dia efa lavo. Macron izao no eo anoloan’ny vahoaka. Izy koa dia tokony handao.”, hoy i Jean-Luc Mélenchon Filohan’ny LFI. Voatondro sahady fa ny 18 Septambra o ho andro fanamafisana ny hetsika. Raha tsy misy fihainoana sy fandraisana andraikitra mazava avy amin’ny fitondrana vaovao, dia mety hihamafy hatrany ny fanoherana. Ambaran’ny mpandinika fa eo am-pamolavolana tantara iray vaovao na amin’ny alalan’ny fanovana lalina, na amin’ny alalan’ny fikorontanana tsy voafehy ny Frantsay. Asa mba manao ahoana ny aty amintsika eo anatrehan’ny tsy fahombiazan’ny governemanta, tsy fahaiza-mitantana, kolikoly, fahantrana, krizy ara-toekarena sy sosialy ? Tsy resaka fanonganana na korontana ny zava-dehibe fa ny fahatsapana hoe : afaka mijoro io vahoaka io rehefa feno ny kapoaka. Tokony handraisantsika lesona ho arofanina ho an’ny mpitondra tsy mahomby, be kolikoly, be rendrarendra, mpampiasa hery,… fa tsy hoe : ny efa tsy mamely sy tsy manjary indray no mbola manao vava tsy ambina etsy sy eroa ary madrangaranga basy sy hery lava.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT