Any Ivelany

Toetr`andro mikorontana Ritra ireo renirano, mijaly ny mpamboly


  • Alatsinainy 18 Janoary 2021

Tsy mety ho tonga ny orana saika amin’ny faritra maro manerana an’i Madagasikara.

 

 

 

Sahirana noho izany ny mpamboly. Raha misy ny orana dia faritra vitsy no ahitana izany. Tao anatin’ny taona maro izay dia ny hain-tany tamin’ity taona ity no isan’ny lehibe indrindra. Ho an’ny eto Antananarivo manokana sy ny manodidina dia maro ny tanimbary tsy voavoly vary noho ny tsy fisian’ny orana. Tao anatin` ny dimy andro dia nisy fihenana ireo renirano mandalo eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Misedra fahasahiranana, araka izany, ireo mpamboly vary manamorona ireny renirano ireny izao. Vitsy dia vitsy ny tanimbary vita ketsa. Amin’ny volana janoarytahaka izao nefa dia efa maro ny vary miakatra eto Analamanga. Tsy ampy koa ny rano ao Sisaony sy Imamba ka tanimbary be no tsy tongan’ny rano. Tsy maintsy hisy ny tsy fahampian’ny vary eto Madagasikara amin’ ity taona 2021 ity. Manoloana izany dia ho dinihana ireo vahaolana izay haroso amin`ireo tantsaha mpamboly amin`izao tsy fahampiana ny rotsak`orana ka miteraka olana amin` ny sehatrin` ny fambolena, hoy ny minisiteran` ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (MAEP). Hisy, araka izany, fivoriana iarahan` ny MAEP sy ireo mpisehatra hijery vahaolana maika ho fiatrehana izay faharitriana renirano izay. Nanamafy ny minisitra Ranarivelo fanomezantsoa Lucien fa hisy fidinana ifotony ary hiroso amin`ireo asa vonjitavandro hanampiana ireo mponina ny minisitera.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT