Any Ivelany

Toekarena maneran-tany Mitotongana hatrany


  • Talata 20 Aogositra 2019

Miha miadam-pamindra hatrany ny toekarena iraisam-pirenena. Hita taratra izany miainga hatrany amin’ireo firenena matanjaka izay hita ho samy miaro ny rambony tsy ho tapaka amin’izao fotoana izao.

Maro ireo manampahaizana amin’ny lafiny ara-bola sy ara-toekarena no efa feno fanahiana amin’ny zava-mitranga. Ankoatra ny ady ara-barotra misy amin’ny Etazonia sy Sina mantsy dia efa miroso amin’ny krizy saro-bahana hatrany ny firenena Alemana sy Anglisy ary ny Eoropeanina. Hatreto aloha dia hita miavaka mahazo vahana ara-toekarena hatrany i Sina na dia eo aza ny ady mangotraka ataon’ny firenena amerikanina aminy amin’ny sehatra ara-barotra. Etsy an-daniny, ireo firenena manana solika ihany koa no mbola hita ho manana ambim-bava fa ny ankoatr’izay dia mivoaka sempotra avokoa. Raha ny eto Madagasikara indray no asian-teny dia mahavelom-panantenana aloha raha ny tatitry ny boky be ho fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana nataon’ny praiminisitra tamin’ny faran’ny herinandro teo. Sarotra ihany anefa ny fandidiana satria na ireo mpandraharaha mpampiasa vola aza amin’izao dia hita ho tsy marisika ary miandriandry sy mandrimandry manan’aretina. Tsy voavaha mihitsy izao hatreto ny olan’ny fahatapahan-jiro izay mampikaikaika ary tena lavareny tsy manam-pahataperana tato ho ato. Efa mampihemotra sahady ireo mpandraharaha te hampiasa vola ny toe-java-misy. Manjohy ny firenena mampihen-danja ny toekarena maneran-tany ihany koa i Madagasikara noho izany. Mampanahy ny tranga ara-toekarena iraisam-pirenena misy satria ny krizy 2007-2008 niseho tany Amerika ihany no nampiadam-pandeha ny toekarena maneran-tany tamin’ny fotoan’androny. Amin’izao fotoana izao dia mifangaro voraka satria ankoatra ny ady ara-barotra misy amin’i Etazonia sy Sina dia miharihary ny olana geopolitika misy any Moyen Orient, ny fitotongan’ny toekarena alemana sy Anglisy izay miteraka fahasahiranana ho an’i Eoropa manontolo.

Tsirinasolo

   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

Hijery ny tohiny
FTT