Any Ivelany

Toekarena Anglisy Sarotra ny fandidiana


  • Zoma 31 Mey 2019

Ny “’ brexit” na ny hoe « BRITISH EXIT » dia ny fialan’i Royaume Uni ao amin’ny Vondrona Eoropeana (UE) taorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka natao tany an-toerana tamin’ny 23 jona 2016 ka nahazahoan’ny mpomba izany ny taha 51.9%.

 

 Ho fanatanterahana  ny andininy faha 50 tamin’ny fifanarahana miaraka amin’ny UE, ny Anglisy sy ny firenena 27 mikambana ao dia nanapaka fa roa taona no fanomanana ny fialany. Taorian’ny fialan’ny Praiminisitra David Cameron tamin’izany anefa dia i Theresa May no lany hisolo azy tamin’ny volana jolay 2016. Araka izany dia izy no mitarika ny fifanarahana amin’ny fialan’ny Anglisy ao amin’ny vondrona Eoropeanina. Tsy nahomby hatrany anefa hatreto ny fifanarahana satria dia in-telo nahemotra izany: ny voalohany tamin’ny 29 martsa, ny faharoa ny 12 aprily ary ny farany dia amin’ny 31 oktobra ho avy izao satria nolavin’ny ireo solombavambahoaka tao amin’ny antoko “Conservateur” misy an-dRamatoa Theresa May  hatrany ny fifanarahana izay natolony. Nanoloana ireo tsikera sy fanaratsiana azy manoloana io tsy fisiana fifanarahana io dia nametra-pialana  i Theresa May. Maro sahady ireo anarana  kandida milaza fa hanolo azy toy i Boris Johnson izay ben’ny tanànan’i Londres teo aloha, Jeremy Hunt Minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha. Manoloana izany rehetra izany, ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Praiminisitra vaovao dia hifantoka tanteraka amin’ny Brexit, tsy ny solombavam-bahoaka ihany anefa no mila resena lahatra amin’izany fa eo ihany koa ny vahoaka izay mbola maro no tsy te hiala  ao amin’ny vondrona Eoropeanina ary ny ankabeazan’ny mponina dia ny tanora mankasitraka ny fiombonan’i eoropa (pro-européen). Sarotra araka izany ny asa izay hiandry ny Praiminisitra vaovao eo satria raha miala na mijanona ao amin’ny UE  ny Anglisy dia samy hisy akony lehibe eo amin’ny toekareny izany.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Hitsahatra ny adin’i Etazonia-Iran
  • Zoma 19 Jona 2026

Misento tokana izao tontolo izao saingy…

  • Raim-pianakaviana
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy nanefa volan-jaza

  • Toe-draharaha iraisam-pirenena
  • Alakamisy 21 Mey 2026

Manamafy ny fifandraisany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

Hijery ny tohiny
FTT