Nahitana fiakarana 3.1% ny fitombon’ny harinkaren’i Etazonia tamin’ny telovolana voalohan’ity taona 2019 ity.
Amin’ny ankapobeny dia azo lazaina fa salama tsara ny toekarena any an-toerana raha ny tondro toy ny tahan’ny tsy fananan’asa (taux de chômage), izay ambany indrindra sy ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana (inflation) izay saika tsy nisy mihitsy no jerena. Tsy dia mandroso araka ny eritreretin’ny filoham-pirenena Donald Trump ny toekarena satria io tarehimarika voalaza teo aloha io dia efa hita nandritra ny 10 taona lasa. Araka ny voalazan’ny mpandinika ara-toekarena dia anisan’ny mampihisatra ny toekarena any an-toerana ny tombony amin’ny famokarana na ny « gain de productivité » izay ambany dia ambany satria tsy mifanaraka amin’ny vokatra azo ny vola lany amin’ny fandoavana karama ho an’ireo mpiasa sy ny adidy atao amin’izy ireo toy ny fiantohana ara-pahasalama sy ny fanomanana ny fisotroan-dronono. Eo ihany koa ny fanadihadiana momba ny « démographie » izay mampiseho fa mitombo ny isan’ireo mponina tokony hiditra eo amin’ny tontolon’ny asa nefa tsy tafiditra. Ny fanovana ny rafitra fandoavan-ketra izay nanena ny hetra aloan’ireo orinasa mba hahafahany miroborobo nataon’ny filoha Trump dia nampihena hatramin’ny 6% ny vola tokony hiditra ka nampidina mihitsy ny PIB tany an-toerana. Tetsy an-daniny ny tsy fampiakarana ny tahiry (reserve federal) tamin’ny banky foibe tany an-toerana sy ny taux directeur dia nanimba ny toekarena. Tsara ny manamarika fa ny reserve fédérale dia tsy miankina amin’ny fanjakana toy ny eto Madagasikara fa mahaleotena tanteraka ny any kanefa io no mamolavola ny politika ara-bola any an-toerana. Taorian’ny krizy ara-bola tamin’ny taona 2008 dia naraha-maso ny tahan’ny fitrosana (taux d’endettement) ho an’ny amerikanina ary fantatra taorian’ny fanadihadiana fa nihodinkodina teo amin’ny 4-5% eo ny tahan’ny zana-bola alaina amin’ny tokantrano mba te hanao fampindramam-bola. Lafo izany ary nampihena ny fanaovan’ny olon-tsotra fampindramam-bola tany an-toerana. Tsy mampihena ny fanjifana (consommation) tany an-toerana anefa satria ny 2/3-n’ny toekarena amerikanina dia avy amin’ny fanjifana anatiny (demande intérieure) ary ny 80%-n’ny fanjifana dia ataon’ireo olona manankarena izay manome 20% ny mponina any an-toerana. Hanamelohan’ny amerikanina maro ny politika ara-toekaren’ny filoha Trump izany satria tsy vitan’ny mampitombo ny tsy fitoviana eo amin’ny olona mahantra sy ny manana izy fa sady mitazona be ny politika mikatona amin’ny firenena ivelany na dia ilaina aza.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.