Lehilahy 2 Tiorka namono mpitsoa-ponenana avy any Syria no voaheloky ny fitsarana any Sakaraya, any avaratra andrefan’i Tiorka higadra mandrapahafaty. Ireto lehilahy ireto moa dia nanolana ramatoa 1 izay niaraka tamin’ny zanany vao 10 volana. Rehefa vita ny nataony dia novonoiny izy mianaka. I Tiorka moa dia anisan’ireo firenena mandray mpitsoa-ponenana maherin’ny 3 tapitrisa avy any Siria
Tetezana nirodana tany Kolombia
Am-polony no maty
Tetezana 1 izay vao amboarina hampitohy ny renivohitr’i Kolombia sy i Villavicencio no nirodana tany akaikin’ny tanànan’iGuayabetal any amin’ny 65 km atsimon’i Bogota, ka olona am-polony izay mpiasa manamboatra io tetezana io no maty ary 8 no naratra. Ny ankamaroan’ireto mpiasa ireto dia mpanao soudure ka ry zareo mbola nanao ny tany ambany no nirodana tampoka ireo vy eny ambony ka voatsindry tao.
Birmania
Hiverina ireo mpitsoa-ponenana Rohingya
Nanatanteraka fanaovan-tsonia fifanarahana i Bangladesh sy i Birmania tany Naypyidaw any Birmania ny talata teo. Ity fifanarahana ity moa dia mahakasika ny tokony hiverenan’ireo mpitsoa-ponenana Rohingya miisa 650 000 any Birmania ao anatin’ny 2 taona. Nandositra noho ny fanagejan’ny tafikaBirmanianina azy ireo, ireto mpitsoa-ponenana ireto tamin'ny faran'ny volana aogositra 2017.
Emmanuel Macron
“Hosaziana ireo mpitandro filaminana mihoa-pefy”
Nanao valandresaka ho an’ireo mpitandro ny filaminana ao Calais ny filoham-pirenena Frantsay Emmanuel Macron nandritra ny fitsidihany tany an-toerana ny amin’ny tsy tokony hisian’ny herisetra atao amin’ireo mpifindra monina. Nambarany fa hosaziana ireo izay nihoa-pefy. Niantso ireo fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ihany koa izy mba handray ny andraikiny. Nampanantena ny tenany fa hanome tambin-karama manokana ho an’ireo mpitandro ny filaminana amin’ity taona 2018 ity.
Alemaina
Mpianatra 43 naratran’ny lozam-pifamoivoizana
Nahitana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona miisa 48 tany atsinanan’i Mannheim, omaly ka ny 43 amin’ireo dia ankizy avokoa. Fiara 1 nitondra olona sy mpianatra no nandona fiara maromaro tao anaty fiholanana rehefa tsy tafajanona ka nifatratra tamina trano 1. Ny 10 no tena voa mafy raha ny tatitry ny polisy any an-toerana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.