Nodimandry omaly tany Londres , teo amin’ny faha 46 i Dolores O'Riordan, mpamoron-kira sady mpihira ao anatin’ilay tarika Irlandais The Cranberries, izay tena nanana ny lazany tokoa maneran-tany tamin’ny taona ’90.
Tsy nisy fanampim-baovao hafa fa dia hoe maty tampoka izy, raha toa ka saika hanao fandraisam-peo tany Londres ny tarika.naalafo rakin-kira 40 tapitrisa maneran-tany ny tarika The Cranberries.
Asa fampiorohoroana tany Irak
Olona 26 no, 90 mahery naratra
In-droa nitrangana asa fampihorohorona tany Irak omaly. Olona 2 nanao vy very ny ainy no nanapoaka tena tao Bagdad renivohitra, ka olona 26 no maty ary 90 mahery no naratra raha ny tatitry ny tompon’andraikitry ny Fahasalamana any an-toerana dokotera Abdel Ghani al-Saadi.
Filoha Tiorka
Tsy mila miaramila Kurde ao amin’ny sisitaniny
Nanambara ny filoha Tiorka Recep Tayyip Erdogan fa tsy hamela ary hanakana ny fitobiana andian-tafika ao amin’ny sisintany mifanila amin’i Sirya .Voalaza moa fa tohanan'ny Amerikana ity vondron-tafika izay ahitana miaramila Kurde , sokajian’ny fanjakana Tiorka ho mpampihorohoro
Fanampiana ny maha olona
Mila 430 tapitrisa dolara i Afghanistan
Mila vola hatramin’ny 430 tapitrisa dolara amin'ity taona 2018 i Afghanistan mba hahafahana manampy olona efa ho 3 tapitrisa mila vonjy sy fanohanana. Tatitra manokana avy amin’ny Firenena Mikambana moa izany.
Alain Juppé
Miomana amin’ny fifidianana Eoropeana
Nandritra ny valandresaka nataon’ny Ben’ny tananan’i Bordeaux Alain Juppé dia nilaza izy fa tsy mandoha ny latsa-kemboka taona 2018 ao amin’ny antoko « Les Republicains » izay misy azy. Ary nanambara ihany koa izy fa tsy nandoa ny taona 2017, Nilaza nandao ny fiadidian'ny Federasionan'ny Les Républicains any Gironde koa izy, ary hiomana amin’ny fifidianana Eoropeanina amin'ny taona 2019
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.