Any Ivelany

Thailande Mpamboly iray maty notrongisin’ny Elefanta


  • Zoma 21 Jona 2019

Teratany thailandey iray no maty notrongisin’ny elefanta tao amin'ny valan-javaboahary nasionaly iray tany atsinanan'ny firenena.

Elefanta miisa telo, handeha hitady sakafo,no nahita ity lehilahy 26 taona ity sy ny vadiny natory tao anaty tranolay, no romotra tampoka ka nandrava ny tranon’izy ireo. Nisy fiara lehibe iray nijanona teo akaikin’ny tranolay an’izy ireo, ka niafina tao amban’ilay fiara  izy mivady rehefa nohenjehin` ireo biby. Tsy naharitra anefa rangahy fa vao dia nanandrana nandositra. Fony izy vao nivoaka iny indrindra anefa no notrongisin’ilay Elefanta iray tamin’ny tandrony teo amin’ny tratrany ka loaka tanteraka. Miisa 2700 ny elefanta any Thailande no mbola miaina anaty ala avokoa. Maro amin’izy ireo no mbola tsy zatra olona. Ny fanimbana ny ala ihany koa dia nirongatra be tato ho ato tany an-toerana. Simba tanteraka arak’izany ny fonenan’ny biby hany ka very ny fitokisan’ny biby amin’ny olona ka mahatonga azy ireo hasiaka amin’ny olona rehefa mifanena aminy any anaty ala.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT