Any Ivelany

TELEFERIKAN’ I TOULOUSE 2 TAPITRISA EUROS ISAN-TAONA NY FIKOJAKOJANA AZY


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Nahazo ny teleferikany i Toulouse. 3 km no halavany. Ity no azo sokajiana ho ‘’téléférique urbain” lava indrindra ao Frantsa.

8000 isa isan'andro ny mpandeha handrasana aminy ka 1,70 € no saran-dalana. Téléo no anarany, ivondronan'i Poma izay rafitra namolavola, Bouygues Travaux Publics Régions France (mpanatontosa ny asa), Séquences (nanao ny kisarisarin’ny tetikasa), Systra (mpamolavola ny tetikasa), SETI (birao fandalinana) ary Altiservice (miantoka ny faharetan’ny fotodrafitrasa) ny fanamboarana. 83 millions € no nanamboarana azy. 2 millions € isan-taona no ilaina amin'ny fikojakojana. 2 taona sy tapany teo no nahavitany, nanomboka ny 5 jolay 2019 ka ny 14 mey 2022 no nandraisana azy. omaly alahady 15 mey 2022 kosa no ampiasàna azy voalohany, raha ny andinindinim-baovao hatrany.
N’DJAMENA, TCHAD
“MIALA I LAFRANTSA!”
"La France, dégage!", "Non à la colonisation!", izany hoe, « miala i Lafrantsa!», « tsy ekena ny fanjanahantany!», izany no hikiakan’ireo vahoaka Tchadianina ny sabotsy teo tao N’Djamena, renivohitr’I Tchad. Anton’ny hetsika raha ny fampitam-baovao voaray ny fanoherana ny fitsabahan’I Lafrantsa amin’ny raharaham-pirenena Tchadianina ary nambaran’ireo mpanao fihetsiketsehana mihitsy moa manohana ny fitondrana miaramila ao an-toerana amin’izao fotoana izao ny frantsay. Ho fanehoan’ireto mpanao fihetsiketsehana ireto ny tsy fahafaliany noho izany dia tsy latsaky ny 2 no isan’ny sainam-pirenena frantsay voadoro ary norobain’izy ireo koa ireo orinasa sy toeram-pamokarana frantsay toy ireo tobin-tsolika Total sy rehefa mety misy tandindon’I Lafrantsa. Nentin’ireo mpanao fihetsiketsehana nody koa ireo vokatra voatsirambin’ny tanany nandritr’ity fotoam-pandrobana fandroahana frantsay ity.
Nangonin’I J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT