Any Ivelany

Tanàna any Sina Afaka hifamezivezena amin` izay afa-tsy Wuhan sy Hubei


  • Zoma 27 Martsa 2020

Na dia nihena aza ny herin` ny aretina “coronavirus » any Sina, dia miahiahy indray ireo manampahefana sinoa amin' ny fahatongavan' ireo zotra an`habakabaka avy any ivelany.

 

 

Tao anatin` ny 24 ora lasa izay dia tranga 47 no voamarina fa mitondra ny tsimok`aretina, hoy ny tomponandraikitrin` ny fahasalamam-bahoaka any an-toerana. Ny ankamaroan' izy ireo dia sinoa miverina an-tanindrazana. Ankoatr'izay, nitombo efatra indray no namoy ny ainy vokatrin` ny aretina ka ny telo tao Hubei, faritra voalohany voan' ny COVID-19. Na dia izany nanala ireo ampahana fepetra hentitra napetraka nandritra ny fiatrehana ny aretina ny fanjakana sinoa omaly. Saingy mbola misy kosa fepetra tsy maintsy tazomina indrindra ao Hubei. Efa nanambara  ny mpitondra, ny talata lasa teo fa tsy mihatra intsony ny fihibohana napetraka tamin` ireo mponina 50 tapitrisa nanomboka ny volana jona. Afaka mifamezivezy izy ireo raha toa ka tsy ahiana ny fahasalamany. Efa misy seranam-piaramanidina sy gara nisokatra. Ireo fianarana kosa dia mbola mikatona. Ho an`i Wuhan manokana kosa dia tsy maintsy miandry hatramin` ny 8 aprily izao vao afaka mifamezivezy ny mponina ao aminy.

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT