Any Ivelany

Soudan Tsy milamina intsony


  • Talata 11 Jona 2019

Niatrika fivoriana vonjimaika ny filankevitry ny Vondrona Afrikanina teo anivon`ny fandriampahalemana taorian`ny fifandonana nahafatesana olona maro tao Khartoum ny zoma lasa teo.

 

 

Mitsahatra amin`ny maha mpikambana azy eo anivon`ity Vondrona Afrikanina ity i Soudan mandra-pahitan`izy ireo vahaolana hipetrahan`ny fanjakana tantanana sivily amin`ny alalan`ny tetezamita. Nanao fanambarana ampahibemaso mahakasika izay ny filankevitry ny Vondrona afrikanina teo anivon`ny fandriampahalemana. Ny fametrahana tetezamita tantanana sivily ihany no no ahafahan`i Soudan mivoaka an`izany krizy izany. Ny tafika any an-toerana izay mandrara ny fidinana an-dalambe manohitra ny nahalany an`i Omer El Bechir teo amin`ny fitondrany ny 11 aprily lasa teo. Etsy an-kilany, ny alahady lasa teo, miantso ireo hery famoretana rehetra ny Vondrona SPA (Association des professionels soudanais) ho fanoherana ireo herisetra ataon`ny miarammila any Soudan ka hanao ny hetsika “desobeissance civile” hatramin`ny hahazoana ny fitondrana. Hetsika sivily afaka mandrobaka fahefana na aiza na aiza eto an-tany raha ny fanazavana. Tsy mbola naseho ampahibemaso io hetsika io. Raha ny zava-misy, mbola mikatona avokoa ireo toeram-pivarotana ao Soudan ary mbola ahitana barazy maro ataon`ireo sivily. Amin`ny faritra sasany kosa, ireo miaramila no manala ireo barazy ireo. Araka izany, mbola mihenjan-droa ny tady ao Soudan na dia efa nandalo tany an-toerana aza ny praiminisitra etiopianina nanao fanelanelanana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT