Any Ivelany

Soudan Mihenjan-droa ny tady eo amin` ny miaramila sy ny sivily


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Ny mpitondra miaramila dia mitaky dinika vaovao entina manitsy ireo andininy sasany ao anatin’ilay fifanarahana navoakan` ny mpanelanelana, tahaka ny vondrona Afrikanina .

 

Ity farany dia mametraka fa tokony hifandimbiasana ny fitantanana ny firenena na fitarihana ny filankevitry ny fiandrianam-pirenena. Marihana fa 15 no mpikambana eo anivon` ity filankevitra ity ka 7 avy amin` ny miaramila, 7 hafa kosa avy amin` ny sivily ary ny mpikambana iray farany dia sivily tsy miandany. Tsy mankasitraka ny fanendrena io filoha mifandimby io ny miaramila ary tsy itovizan-kevitra ihany koa ny fepetra hitondrana izany filankevitra izany. Ny mpanelanelana dia milaza fa telo taona, ny miaramila kosa dia manambara fa tokony ho roa taona izay fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena any Soudan. Ny sivily dia mitaky izany satria io no fifanarahana. Araka izany, miantso ny vahoaka hitokona ny 14 jolay ho avy izao ny ALC (Alliance pour la libertè et le changement).

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT