Any Ivelany

Sina Nampiato ny fitsangantsanganana mankany Taiwan


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Namoaka fanambarana ny firenena Sinoa omaly, milaza fa haato ny fandefasana mpizahatany sinoa hitsidika an’i Taiwan.

 

 

Nilaza ny minisiteran'ny kolontsaina  sy ny fizahantany sinoa fa noraisina ny fepetra noho ny fifandraisan'ny roa tonta izay tsy dia nifanaraka tato ho ato. Mahery vaika ny fifanolanana misy eo amin'ny filoha Sinoa Xi Jinping sy ny filoha Taiwaney Tsai Ing-wen, izay nahazo ny fahefana nanomboka ny taona 2016 tato ho ato ary nandà tsy te-hahalala ny fitsipiky ny firaisan'ny nosy sy ny kaontinanta. Misy fiantraikany any amin’ny toekarena Taiwaney anefa izany, indrindra manaratsy ny sarin’ny filoha Tsai Ing-wen, izay manantena fatratra ny  mbola ho lany amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny volana janoary 2020.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT