Any Ivelany

Sidina manokana mankany Frantsa sy La Réunion Neken’ny fitondram-panjakana Malagasy


  • Talata 21 Aprily 2020

Hisy ny sidina manokana mankany Paris - Frantsa sy La Réunion araka ny fampitam-baovao teo anivon’ny Masoivoho frantsay eto Madagasikara.

 

 

 

Nankatoavin’ny fitondram-panjakana Malagasy omaly izany ary hiainga eto Antananarivo hankany Parisy ny alakamisy 23 Aprily ho avy izao amin’ny alalan’ny kaompania Air France. Tsy tahakan’ny sidina mahazatra io fa ny Air France mihitsy no miantso sy hanome vaovao ireo olona tonga teny amin’ny Ambasady tamin’ny fotoana efa tokony nandehanana nefa tsy lasa noho ny fepetra noraisina. Hisy ihany koa ny sidina manokana mankany Saint Denis La Réunion izay nankatoavina omaly koa. Ity farany izay hiainga ny zoma 24 Aprily ho avy izao ary tahaka ny sidina mankany Paris dia takiana ny fananana ny taratasy mazava manamarina ny tsy maintsy handehanan’ ireo mpandeha ireo. Ankoatr’izay dia hisy ny fanaraha-maso ara-pahasalamana sy ny fepetra rehetra mifandraika amin’izany any an-toerana.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT