Any Ivelany

Sendikan’ny polisim-pirenena Mbola tsy afaka mivelatra, ezahina takonana


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Mbola tsy afaka mivelatra tsara ary ezahina takonana mihitsy ny ezaka hataon’ny sendikan’ny polisy ho fiarovana ny zon’ireo mpiasa ao aminy amin’izao. Raha araka ny fanazavan’Atoa Randriamihamina Alphonse,

sekretera jeneralin’ny Syndicat éveil fédéral de la police nationale Malagasy na ny SEFPONAM tamin’ny mpanao gazety tamin’ny sabotsy teo mantsy dia mbola foana ny fanelingelenana hataon’ny tompon’andraikitra rehefa misy fitakiana hatao hany ka toa lasa tsy misy dikany amin’ny mpiasa ny asan’ny sendika, izay karazany takonana mihitsy mba tsy hahafahan’ny mpiasa mirona sy manome lanja izany. Mbola misy ihany koa hoy izy ny antsojay na ankolaka na mivantana mahazo ny mpiasa tsy hiditra anaty sendika ankoatra ny mbola tsy nandraisan’ny Ministra tompon’andraikitra ity sendika ity hatreto. Raha araka ny fanazavany hatrany anefa dia andraikitry ny sendika miaro ny tombontsoa iombonan’ny mpiasa na dia anisan’ny asan’ny polisim-pirenena aza ny miaro ny andrim-panjakana. Mankalaza ny faharoa taona niorenany ny SEFPONAM ka tamin’ny Sabotsy teo no nanokafana izany. Tamin’ny taona 2018 nandritra ilay tolona nataon’ny solombavambahoaka 73 izay nahafatesana olona teny amin’ny kianjan’ny fahaleovantena no nijoroany voalohany. Tsy nanaiky ny famonoan’olona sy ny fanaovana ny vahoaka ho fahavalo mantsy ity sendika ity. Amin’izy ireo dia tokony ho mpiaro ny vahoaka ny mpitandro ny filaminana fa tsy natao ho fitaovana politika hamonoana ny mpiray tanindrazana.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT