Any Ivelany

Sempotry ny “Gilets Jaunes” i Frantsa Miha mafy ny gidragidra, 263 no naratra


  • Alatsinainy 03 Desambra 2018

Nitarika fivoriana maika tao amin’ny lapan’i Elysée noho ny hetsika miha mahery vaika ataon’ny “Gilets jaunes” ny filoha Frantsay Emmanuel Macron omaly alahady 2 desambra antoandro.

 

 

 

 Niaraka taminy tao ny praiminisitra, ny minisitry ny atitany sy ny sekreteram-panjakana miandraikitra ny filaminana. Nilaza ny filohan’ny antenimierandoholona Gérard Larcher fa tsy azo eritreretina intsony ny hisiana sabotsy gidragidra fahatelo. Nijery ifotony ny zava-misy teny amin’ny Arc de Triomphe sy ny Place de l’etoile izay tena nitrangan’ny fanapotehana ihany koa i Emmanuel Macron. Tetsy an-kilan’izay dia nangataka fihaonana niarahana tamin’ny minisitry ny atitany sy ireo tompon’andraikitra avy amin’ny boriborintany maro ao Paris renivohitra izay tena nisehoan’ny korontana ihany koa ny ben’ny tanàna Anne Hidalgo. Henjana ny fifandonana ny sabotsy teo. Nanaparitaka ny mpanao fihetsiketsehana amin’ny alalan’ny rano sy ny baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana. Ireo mpitokona kosa sady mitoraka amin’ny karazan-javatra maro no mametraka barazy sy mandoro izay azo dorana rehetra. Nahatratra 263 ireo naratra ka mpitandro ny filaminana ny 23. Olona 412 no nosamborina  ary 387 no notanana teny amin’ny biraon’ny polisy. Andrasana rahampitso talata ny fanazavan’ny minisiteran’ny atitany sy ny filaminana ny amin’ny fepetra napetrak’izy ireo mba hisorohana sy hifehezana ny fihetsiketsehana satria tena goavana ny fahapotehana. Nisy ny fiara, trano fonenana, toeram-pivarotana may kila, simba ny fotodrafitrasa maro. Tahaka ireny tany miady ireny mihitsy ny tao Paris ny sabotsy lasa teo. Tsy fanekena ny fampiakarana ny vidin-tsolika sy  fitarainana noho ny fidangan’ny vidim-piainana no anton’ny hetsik’ireo “gilets jaunes” manerana an’i Frantsa ary efa nivoaka mihitsy aza ny fehezanteny hoe : miala i Emmanuel Macron rehefa tsy mahavaha olana. Nangataka ny praiminisitra mba hihaona amin’ireo lehiben’antoko moa, araka ny vaovao farany ny filoha Macron.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT