Any Ivelany

Savorovoro momba an’i Jerosalema Nihaona ny filoha Frantsay sy ny praiminisitra Israelianina


  • Alatsinainy 11 Desambra 2017

Mitombo ny savorovoro any Proche Orient taorian’ny fanambaran’ny filoha Amerikanina Donald Trump fa ekena ho renivohitr’i Israely i Jerosalema.

Nahitana mpanao fihetsiketsehana  an-jatony nanoloana ny masoivoho Amerikanina tao Beyrouth (Liban) ary nisy ny fifandonana tamin’ny mpitandro ny filaminana. Misy mihitsy aza ny Palestinianina miantso ady Masina atao amin’i Etazonia, niantso fehetsiketsehana goavana atao any Beyrouth ho fanoherana ny fanambaran’ny filoha Amerikanina anio ny lehiben’i Hezbollah, Hassan Nasrallah. Nihaona tamin’ny praiminisitra Israelianina Benjamin Nétanyahou tao amin’ny lapan’i Elysée paris omaly ny filoha Frantsay Emmanuel Macron izay mijoro ho mpanelanelana amin’ity krizy ity. Miantso ny rehetra ho tony izy.

RD Congo

Miaramilan’ny ONU 15 maty nisy namono

 

Miaramilan’ny firenena mikambana (ONU) 15 ao anatin’ny MONUSCO na vondron-tafiky ny firenena mikambana ho amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana any RD Congo no maty nisy namono tany  Nord-Kivu ao amin’ny repoblika demokratikan’i Congo ny faran’ny herinandro teo. Nanameloka mafy izany ny sekretera jeneralin’ny firenena mikambana. Efa nomanina sy tsara rindra ny fanafihana namonoana ireto miaramila ireto, hoy ny firenena mikambana.

Afrika Atsimo

Hafana ny kongresin’ny ANC

Hiatrika ny kongresiny afaka herinandro ny ANC (African National Congres) atsy Afrika atsimo. Azo antoka fa hisehoana adihevitra mafana izy io satria efa tena vaky ambatolampy ny fifanandrinana eo amin’ny filoha Jacob Zuma (filoha am-perinasan’ny ANC)  sy ny filoha lefitry ny ANC Cyril Ramaphosa. Rtoa Nkosazana Dlamini-Zuma izay re fa tohanan’ny filoha Jacob Zuma no mpifanandrina amin’ity farany. Hatahorana hampisara-bazana ny ANC ity olana anatiny ity raha tsy voalamina.

Frantsa

Lany ho filohan’ny LR i Laurent Wauquiez

 

Laurent Wauquiez no voafidy ho filohan’ny antoko Les Républicains (LR) any Frantsa omaly hariva, miverina amin’ny heriny ny hery ankavanana , ary izao no fiaingana vaovao no iainantsika manomboka izao raha nikabary voalohany izy.42 taona i Laurent Wauquiez, tsy dia tena malaza firy amin’ny sehatra politika any Frantsa na dia an isan’ireo tena manampahaizana sy be mari-pahaizna anavoaky ny ENA (Ecole Nationale de l’Administration) – Paris aza.mijoro ho mpanohitra matanjaka ny filoha emmanuel Macron izy ary mijoro hanome aina vao ny Les Républicains antokon’ny filoha teo aloha Nicolas Sarkozy.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT