Any Ivelany

SARIMIHETSIKA MITOHY NY FIKETREHANA NY “BAD BOYS 4”


  • Talata 24 Mey 2022

Io tsy misy miato izany, hoy ny filohan’ny marika Sony, Tom Rothman, fa mbola mitohy hatramin’izao ny fiketrehana ny sarimihetsika “Bad Boys 4”.

Taona maro no nahalalako an’I Will Smith, izay isan’ny mpilalao fototra hatrany tamin’ireo andiany miisa telo tany aloha. Ohatrana olona tsara naneho ny fetrany sy ny fananany fihetseham-po toy ny olombelona rehetra izy amiko rehefa sendra mandalo fotoana mahasosotra azy. Amin-kitsim-po no nialany tsiny imasom-bahoaka ary izao mino ny atao hoe famelan-keloka sy fiaingana vao eto amin’ity fiainana ity, hoy hatrany ity talen’ny sarimihetsika amerikanina sady filohan’ny trano famokarana Sony Pictures Entertainment ity.
RAHARAHA AO OKRAININA
MIRONA ANY AMIN’NY FANAMARIHANA HELOKA AN’ADY
Miakatrakatra ny maripana ao Dombass. Mifantoka ao amin’ny faritr’i Lougansk sy Donetsk ankehitriny ny hery ara-tafik’i Rosia iraimanontolo, hoy i Serguiï Gaïdaï, governoran’ny faritra voalohany. Mandry an-driran’antsy amin’ny mety ho darok’i Moscou 24 amin’ny 24 ora ankehitriny, hoy izy, ny toerana stratejika ao Severodonetsk. Mirona any amin’ny fanamarihana fisiana heloka an’ady na « crimes de guerre » raha ny hita omaly, etsy an-kilan’izay, ny raharaha ao Kiev. Miaramila rosianina 21 taona no voampanga ho namono nahafaty sivily 62 taona izay nanosika bisikileta sy nandray antso tamin’ny finday. Ny filoham-pirenena Okrainianina, Volodymyr Zelensky, moa dia manohy ny fitetezam-paritra ataony amin’ny alalan’ny resaka amin’ny horonantsary mivantana na “visioconférence”, raha ny fampitam-baovao omaly hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT