Any Ivelany

Sambo nilentika tao Pakistan Olona 4 maty, 21 tsy hita popoka


  • Zoma 05 Jolay 2019

Sambo iray niainga tany avaratra andrefan`i Pakistan no natelin`ny rano rehefa nivadika.

 


Vokany, olona 4 no namoy ny ainy ary 21 no tsy hita popoka omaly maraina, hoy ny tatitry ny AFP (Agence France Presse).  Miisa 38 ireo nandeha tamin`io sambo io saingy 13 izy ireo no avotra soa aman-tsara rehefa nahavita nilomano naka sisin-drenirano. Kely ny finoana hitadiavana ireo sisam-paty tsy hita popoka noho ny andro ratsy any an-toerana. Nitondra mpandeha tao amin`ny reniranon`i Indus ilay sambo ary niharan-doza tao Khyber Pakhtunkhwa. Mbola mitohy ny fizahana ireo razana. Miara-misalahy ny mpitandro filaminana sy ny mpamonjy voina ary ireo mponina manakaiky ilay renirano.
Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT