Any Ivelany

Sambo mpisitrika 12 andro tsy hita popoka ny “San Juan”


  • Zoma 01 Desambra 2017

Tsy mbola fantatra mihitsy hatramin’izao ny mety nitranga tamin’ilay sambo mpisitrika Argentin mitondra ny anarana hoe “San Juan” sy izay toerana mety misy azy,

12 andro aty aorian’ny nanjavonany tamin’ny Radar. Tombatombana ny betsaka saingy tsy misy ny vaovao marim-pototra momba azy; mitohy ihany ny fikarohana ka firenena 15 no mifarimbona amin’izany. Nipoaka ka rendrika ve sa lasa aiza ny “San Juan” ?

 

Obama sy Macron

Hihaona manokana

 

Hihaona manokana amin’ny filoha Amerikanina teo aloha Barack Obama mandritra ny fiaraha-miasakafo antoandro ny filoha Frantsay Emmanuel Macron rahampitso sabotsy ho avy izao .Ho avy any Paris mantsy ingahy Obama fa hanao famelabelaran-kevitra manoloana olona 3000 ao anatin’ny tambajotra goavana momba ny indostria sy ny serasera

Bankin’i Vatican

Nesorina ny tale lefitra

 

Nesorina tamin’ny toerany omaly alakamisy ny tale lefitry ny Bankin’ny Vatican Giulio Mattietti.Ny alatsinainy teo no efa tsy niasa intsony izy araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny Vatican, tsy nisy ny fanazavana fanampiny.Ny fantatra fotsiny dia miteraka fifandirana ny fanatsarana sy fanavaozana ny fomba fitantanam-bola eo anivon’ity Banky ity.

Mpitondra an’i Korea Avaratra

Ho potika tanteraka, hoy ny Amerikanina

 

Miantso ny firenena rehetra hanapaka ny fifandraisana ara-diplaomatika sy ara-barotra amin’i Korea Avaratra taorian’ny andrana tifitra balafomanga farany natao indray i Etazonia ny alarobia teo tamin’ny alalan’ny masoivohony eo anivon’ny firenena mikambana Nikki Haley.Nisafidy ny herisetra i Korea Avaratra, koa raha mipoaka tokoa ny ady dia azo antoka fa potika ny fitondrana any i Korea Avaratra, hoy ity diplaomaty Amerikanina ity.Mbola nanamafy izany omaly ny filoha Donald Trump .

Metro d’Abidjan

Nanome 1,4 miliara euros i Frantsa

 

Nanome vola 1,4 miliara euros hanamboarana ny zotran-dalamby « Metro d’Abidjan » ny governemanta Frantsay araka ny fanambarana nataon’ny fiadidian’ny praiminisitra Ivoariana omaly. Mifanandrify amin’ny fitsidihan’i Emmanuel Macron any an-toerana ny fanombohan’ny asa.Mirefy 37,9 km ary mampitohy ny faritra avaratra sy atsimo ao Abidjan ity zotran-dalamby vaovao ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Hitsahatra ny adin’i Etazonia-Iran
  • Zoma 19 Jona 2026

Misento tokana izao tontolo izao saingy…

  • Raim-pianakaviana
  • Alakamisy 18 Jona 2026

tsy nanefa volan-jaza

  • Toe-draharaha iraisam-pirenena
  • Alakamisy 21 Mey 2026

Manamafy ny fifandraisany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

Hijery ny tohiny
FTT