Any Ivelany

Salvador Ahiana handalovan`ny Tsunami


  • Zoma 31 Mey 2019

Nisahotaka ny mponina tany Salvador, omaly alakamisy tamin`ny 11 ora antoandro noho ny fisian`ny horohorontany.

 

 

 Voalaza fa tany La Libertad no foibeny, 40 km miala amin’ny renivohitra San Salvador. Tsy nisy aina nafoy sy fahasimbana goavana saingy fantatra indray izao fa ahiana handalovan`ny Tsunami any an-toerana, izay manana tanjaka 6,6 amin’ny maridrefy Richter. Ny minisiteran`ny tontolo iainana no nanao ny fanambarana tamin`ny tambajotran-tserasera. Nanapa-kevitra ihany koa ny minisiteran`ny fanabeazam-pirenena fa hatsahatra aloha ny fampianarana any an-toerana. Ny mpitandro ny filaminana kosa dia miantso ireo mponina manamorona ny morontsiraka mba hiakatra amin`ireo faritra avo. Marihina fa i Salvador dia firenena kely ao Amerika Afovoany, manana mponina miisa 6 tapitrisa.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT