Any Ivelany

Sainte Marie Ripaka ny hazo sarobidy


  • Alakamisy 06 Septambra 2018

Mitohy ny fandripahana hazo sarobidy. Manararaotra savorovoro politika ireo mpijirika dia manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.

 

 Lasibatra ny ala arovana ao Bekalalao, tsy lavitra an’Ambodifotatra renivohitry ny nosy Boraha. Raha ny fahitana azy dia hazo sarobidy vao nokapaina no miampatrapatra eny amoron’ala. Misy voamboana, ny sasany andramena. Hazo lehibe am-polony maro no midaraboka amin’ny tany. Nahita maso izany ny tompon’andraiktra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny fizahantany. Valaketraka ny rehetra. Misy ireny Alambic fitenehana jirofo hahazoana menaka manitra ireny koa eny antsefatsefany eny, mampiasa kitay avy amin’io ala arovana io. Mahalala ny fisian’izany ve ny minisiteran’ny tontolo iainana ? Raha eny, inona no andraikitra noraisiny ? Raha tsia fotoana izao handraisana fepetra tsy misy hatak’andro, dieny tsy mbola voasaringotra ho mpitsikombakomba sy mpiray tendro amin’ireo mpanao trafika andramena. Azo isarihana mpizahatany hampidiram-bola ho an’ny fanjakana ilay toerana, satria dia 10.000 Ariay isan'olona no tokony ho saram-pitsidihana azy io, nefa tsy misy vidim-pidirana raha ny filazan'ireo mpisera-dia miasa ao.

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT