Any Ivelany

ROYAUME-UNI MISY CORONAVIRUS VAOVAO HITA INDRAY


  • Talata 15 Desambra 2020

Misy karazana coronavirus hita any Royaume-Uni, izay tena haingam-pifindra be

 

noho ilay endriny ankehitriny. Efa miparitaka ao Londres sy ny faritra Atsimo-Andrefana izy io. Efa ao anatin’ny risika ambony sy fampitandremana faratampony ireo faritra ireo, ka ho henjana ny fepetra manomboka rahampitso. Nanao antso sy toromarika tamin’ny depiote ny Minisitry ny fahasalamana Matt Hancock omaly ny hanamafisana ny fepetra hifehezana ny fipariahana. Efa nampahafantarina ny OMS ihany koa ny fahitana io endrika coronavirus tena matanjaka sy mifindra haingana be io. Manampahefana samihafa eny ifotony 60 raha kely no efa voany, ary maherin’ny 1000 ny isan’ny tranga efa voamarina, hoy ny Minisitry ny fahasalamana Britanika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT