Any Ivelany

Rosia 10 000 mahery iray andro, voa ny praiminisitra ...


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Taorian’ny fotoana lava dia isan’ireo firenena tsy mba voakasika firy i Rosia, izay 2200 teo ny olona voa tany amin’ny faran’ny volana martsa.

tsy miaintsy miatrika ny mafy anefa ity firenena ity satria tao anatin’ny 24ora dia 10 559 no indray voa, izay efa nisesy tao anatin’ny efatra andro. Mahatratra 165 929 ny tranga voaisa, izay mametraka an’ity firenena ity firenena faha-5 be olona voa indrindra any eoropa. Mpitondra ambony maromaro no voamarina fa voa, ka isan’izany ny praiminisitra Mikhaïl Michoustine, ny minisitry ny kolontsaina Olga Lioubimova, ny minisitry ny fanorenana Vladimir Lakrouchev. 1537 ny fitambaran’ny maty kanefa ahiana hidangana amin’izay.

 

Etazonia

Mbola hidangana hatrany ny isa

 nahatratra 2333 ny olona maty tany etazonia ny andron’ny talata teo ary mitombo hatrany ny isan’ny voa izay eo anelanelan’ny 25 000 hatramin’ny 30 000 isan’andro. omaly dia efa 73 234 ny isan’ny maty. 1 246 462 no voa, ka ny 8829 ny tranga vaovao. ahiana hatrany ny toe-draharaha any etazonia izay tombanana hiakatra ho 3000 isan’andro indray no ho faty hatrany amin’ny faran’ny 1 jona, ary ho 200 000 ny olona ho voa.

 

Bresil

Ho lasa ivon’ny coronavirus atsy ho atsy

manomboka tena lasibatra amin’izay ihany koa i Brésil amin’izao fotoana izao, ary efa ny 2 mey lasa teo no nanao fanairana ny tompon’andraikitry ny laboratoara misahana ny fahasalamana ao amin’ny oniversiten’i sao paulo. 600 no indray maty tao anatin’ny iray andro ny talata teo, ary hatramin’ny omaly dia 121 600 ny voa, ka 6 885 vaovao. 8022 no efa namoy ny ainy amin’ity firenena tombanana ho lasa ivon’ny coronavirus any Amerika atsimo ity.

 

 

Eoropa

 7,4% ny fitotonganan’ny harin-karena 2020

Hitotongana hatrany amin’ny 7,4% ny harin-karena faobe any eoropa ho an’ny taona 2020 mialohan’ny hiakarany 6,1% ho an’ny taona 2021 raha ny tombana. isan’ny tena hizaka ny mafy i italie, espagne, grèce, araka ny fanadihadiana ara-toekarena mandeha, ka hatrany amin’ny 2 taona vao mety ho vita ny fanarenana satria ambonin’ny 9% ny fitotonganana. mety hisy ny fizarana eo amin’i eoropa avaratra sy atsinanana.

 

France

 Nitarina ny famehana ara-pahasalamana

 nitarina hatramin’ny 10 jolay ny famehana ara-pahasalamana any frantsa. na izany aza, dia anio no hamoaka ny drafi-pialana tsikelikely amin’ny fihibohana ny praiminisitra Edouard Philippe. 25 809 ny maty ary, 278 tao anatin’ny 24 ora tany frantsa. omaly kosa no namoaka ny drafitra momba ny kolontsaina ny filoha frantsay satria hatrany amin’ny 1,3 tapitrisa ny mpisehatra amin’izany (teatra, cinema, hetsika ara-javakanto,…), ka isan’ny hapetraka ny tahiry ara-bola hoenti-manampy azy ireo.

Nangonin’i Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT