Any Ivelany

Resaka 3 tapitrisa Ar Novonoina sy nalevina an-tsokosoko ilay ramatoa


  • Talata 28 Aprily 2020

Tany Ampanihy Andrefana no nisehoan’ity tranga ity. Araka ny fitantarana nataon’ny Sampan-draharaha misahana ny serasera na ny DRCC Atsimo Andrefana, dia nindram-bola 3 000 000 Ar

 

 

tamin-dRtoa Vero ny Rtoa Mpampivelona tsy miankina amin’ny fanjakana antsoina hoe Tatamo. Rehefa takiana dia mangata-potoana lava foana, ka ny zoma teo dia nifankahita an-dalana izy roa, ka nasain’ilay ananana haka ny volany any an-tranony Rtoa Vero, hoy ny fampitam-baovao. Nanomboka teo dia tsy hitan’ny fianakaviana Rtoa Vero. Rehefa nanontanian’ny zandary ilay ramatoa mpampivelona, dia milaza ny tsy nahita izay nalehany. Ny sabotsy alina anefa dia nisy nahita ny mpifanolo-bodirindrina amin-dRtoa Tatamo fa nanganady lavaka tamin'ny andro alina izy, ka nisy nilaza an’izany tamin'ny fianakavian-Rtoa Vero. Nanao fangatahana tamin'ny manam-pahefana ny hanao fisavana ny tranon-dRtoa Tatamo ny fianakaviana. Tsy nahitana na inona na inona. Nohadiana amin'izany ny lavaka akaiky ny tranony, ka hita nihohoka tao anaty lavaka ny fatin-dRtoa Vero. Nosamborina Rtoa Tatamo hialana amin'ny fitsam- bahoaka , ary efa eo am-pelatanan’ny zandary izy sy ny iray voalaza fa niray tsikombakomba taminy, hoy ny vaovao azo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT