Any Ivelany

REAL DE MADRID METY HO VOAROAKA I ZIDANE


  • Alakamisy 03 Desambra 2020

Mampanahy ny ho avin’ny Real de Madrid taorian’ny fahareseny tao an-

 

 

jaridainany 2-0 nanoloana ny Shaktar Donetsk ny talata alina teo, raha efa resy 2-3 tamin’ny lalao mandroso. Fahatelo ao amin’ny Vondrona B manana isa 7 mitovy izy sy ary faharoa Shaktar mitovy isa aminy. Voalohany kosa ny Borussia Mönchengladbach manana isa 8, ary faha-efatra ny Inter de Milan manana isa 5. Ny 9 desambra izao no hifandona amin’i Borussia Mönchengladbach ny Real. Kely ny vintana, raha maharesy an’i Inter ny Shaktar ny lalao na mandresy ihany koa aza ny Real. Nilaza ny gazety Espagnol fa mieritreritra ny hanala an’i Zinedine Zidane tsy ho mpanazatra ny Filohan’ny Real Florentino Perez. Nivadika ho fampitandremana fa raha sanatria tsy tafiakatra amin’ny Ligue des Champions dia mampamangy i Zidane. Fahaefatra vonjimaika ny Real amin’ny Liga, raha toa ka ny Real Sociedad no mitarika, faharoa i Atletico Madrid, fahatelo ny Villareal, ary any amin’ny faha-7 kosa i Barcelone.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT