Any Ivelany

Raharaham-pifidianana Tsy hita taratra ilay hoe madio sy mangarahara


  • Alatsinainy 14 Aogositra 2023

Efa ao anatin’ny “pré-campagne” isika izao, fotoana hanaovana Kongresin’ny Antoko, hanaovana fampahafantarana momba ny vinam-piarahamonina,

hanambarana ny maha kandida satria efa nivoaka ny 11 jolay ny didim-panjakana fanaikana ny mpifidy. Henjana anefa ny fanohintohinana sy sakantsakana ara-politika samihafa ary ny fampihorohoroana na “intimidation” mandeha amin’izao fotoana izao ho an’ireo kandida na mety ho kandida tsy mpiara-dia amin’ny fitondrana ankehitriny.Vao aty amin’ny “pré-campagne” ve dia izany no mitranga ka fifidianana madio sy milamina ary handraisan’ny rehetra anjara tokoa ve ilay tiana hatao eto? Henjana ny fampiasana ny fahefam-panjakana, fitaovam-panjakana, volam-panjakana ho amin’ny tombotsoa politika, raha tarafina amin’ny fizarazaran-javatra, ny fampiasana ireo solontenam-panjakana tahaka ny Prefe sy Lehiben’ny distrika, ny hetraketraka,… Voahaja ve ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana milaza fa tsy tokony hiandany amin’ny politika ny fitantanan-draharaham-panjakan? Efa nilaza ny Filohan’ny Sendikan’ny Adminisitera sivily na ny SYNAD mba hanatsaharana ny sakantsakana politika fa tokony hitovy ny rehetra ka hohenoina ve?
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT