Any Ivelany

Raharaha Carlos Ghosn Namoahana didy fampisamborana ihany koa ny vadiny


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Tsy manaiky ny fitsarana japoney fa dia namoahana didy fampisamborana ihany koa ny vadin`i Carlos Ghosn, mpandraharaha

 

 

 

frantsay izay voatonona ho nanodinkodim-bola tao amin'ilay orinasa mpanamboatra fiara "Renault-Nissan".  Voapanga ho nijoro vavolombelona mandainga Rtoa Carole Ghosn. Raha tsiahivina, i Carlos Ghosn dia nandositra niala tao Japon raha mbola eo ampiandrasana ny fitsarana azy mahakasika raharaha fanodinkodinam-bola izay maha voaroiroy azy. Raha ny loharanom-baovao voarain`ny gazety boky Forbes, dia ny 29 desambra 2019 tamin`ny 11 ora 10 mn alina no nitondra an-tsokosoko an'Atoa Ghosn niala tao Japon ny TC-TSR ka nafenina tao anaty vata. Ny 30 desambra 2019 tamin`ny 5 ora 26 maraina, tonga tao Torkia i Atoa Ghosn tamin'ny alalan'ny TC-TSR ary nifindra fiaramanidina Bombardier Challenger 300 TC-RZA izay mbola tantanan'ny MNG Jet, ka nakany Liban nandritra ny 24 minitra, hoy hatrany ity gazety boky ity. Efa voasambotra ao Torkia ny olona 7 nandray anjara mivantana tamin'ny fitsoahany ka ny 2 amin'ireo dia mpanamorin'ny TC-TSR.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT