Any Ivelany

PSG≠REIMS HIAKATRA AN-KIANJA I MESSI ?


  • Talata 24 Aogositra 2021

Amin’ny faran’ity herinandro ity no voalaza fa hiakatra an-kianja voalohany amin’ny lalao ofisialy I Lionel Messi, ka ny lalaon’ny PSG hanafika ny Stade de Reims

 any Auguste-Delaune ny alahady 29 aogositra izao no voatondro fa hilalaovany. Efa nanipy teny ny mpanazatra Mauricio Potchettino, fa ny herinandro lasa teo dia tena tsara sy nahomby tamin’ny fanazaran-tena I Messi, ary azo eritreretina ny haha ao anaty lisitr’ireo hiatrika ny lalao azy. Etsy andaniny, malaza ihany koa fa tsy maintsy miandry ny lalao ao amin’ny Parc des Princes ny mpankafy. Miankina amin’ny antsapaky ny lalao voalohan’ny PSG amin’ny Ligue des champions io, dia ny 14 na 15 septambra. Ny 3 septambra anefa etsy andaniny, dia hifandona amin’ny Venezuela ny Ekipam-pirenena Argentin amin’ny fifanintsanan’ny “Mondial 2022”, 5 septambra Argentine≠Brésil, ny 10 septambra Argentine≠Bolivie.
SERANAM-PIARAMANIDIN’I KABOUL
OLONA IRAY MATY VOATIFITRA, 3 NARATRA
Mitohy ny fampodiana ny fampodiana olona avy any Kaboul ataon’ny firenen-dehibe. Omaly, nisy ny fifamaliana tifitra avy amin’ny miaramila Amerikanina sy Alema ankilany, ary ankilany ny mpitifitra na “tireur” tsy fantatra na “inconnus” izay ahiana ho ny Taliban. Vokany, iray no namoy ny ainy, 3 no naratra mafy. Nambaran’ny fahitalavitra Amerikanina CNN kosa fa avy tao anatin’ny faritra izay arahin’ny miaramila Amerikanina maso sady misy ireo no niainga ny tifitra. Namaly bontana kosa ny ireo miaramilan’ny firenen-dehibe sy ireo mpitandro filaminana Afghans, ka iray tamin’ireto farany no namoy ny ainy. Etsy ankilany, lehilahy isan’ireo navotana avy any Afghan navotan’ny Frantsay no ahiana ho manana fifandraisana amin’ny Talibans, ary atao andrimaso any Frantsa.
RAHARAHA AFGHANISTAN
MITAZONA HATRANY NY TENINY I JOE BIDEN
Mbola mitazona ny teniny sy maniry ny hahavitan’ny fitaterana ireo olona havotany avy any Afghanistan ho tapitra ny 31 aogositra ho avy izao ny Filoha Amerikanina Joe Biden. Io daty io ihany koa izay novinaina tany am-boalohany fa fotoana hialan’ny miaramila Amerikanina tanteraka any. Nambaran’I Biden fa 28 000 efa voataona nanomboka ny 14 aogositra. 60 000 anefa no tanjona hatramin’ny 31 aogositra. Mbola ao anatin’ny dinika ny fanajanonana ireo tafika, izay hiantsoroka ny filaminan’ny fampodiana izay iangavian’ny firenena maro sy ny mpiaro ny zon’olombelona. Naneho kosa ny Lehiben’ny Diplaomasia Eoropeanina, fa Josep Borell fa sarotra ny hamita ny fampodiana ireo Afghans mpiara-miasa amin’ny tandrefana hatramin’ny 31 aogositra izany.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT