Any Ivelany

Praiminisitra vaovao ao Grèce Tsara toerana i Mitsotakis


  • Talata 09 Jolay 2019

Nanjakan`ny antoko “Nouvelle democratie” ny fifidianana solombavambahoaka ka nitarika lavitra manoloana ny praiminisitra grika Alexis Tsipras ny 07 jolay 2019.

 

 

 Araka izany, i Kyriakos Mistsotakis no mitantana indray ny firenena grika ary manome toky fa haka fepetra hentitra mba hampiroboroboana ny firenena, izay vao nivoaka krizy ara-bola. Ny antoko “Nouvelle democratie” no nahazo ny maro an`isa manana seza 158. Manaraka azy ny antoko Syriza, izay nahazo seza 86. Na dia niondrika aza ny praiminisitra teo aloha dia nirary soa an`ity mpisolo toerana azy ity ny tenany. Tsiahivina fa ny taona 2015 i Alexis Tsipras no nitantana ny raharaham-panjakana. “Ny faharesena dia ao anatin`ny ady. Faly ihany aho satria ny fomba fitantanako no nitondra indray ny firenena tsy ao anaty krizy intsony”, hoy izy nandritra ny valandresaka niarahana tamin`ny mpanao gazety.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT