Any Ivelany

Praiminisitra Boris Johnson « Ho lasa lavitra ny toekaren’i Royaume Uni »


  • Talata 04 Febroary 2020

Nanomboka ny faran’ny herinandro lasa teo dia nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa tsy ao anatin’ny Vondrona Eoropeanina intsony ny Royaume Uni.

 

 

 Ho fanatanterahana ny “’ brexit” na ny « BRITISH EXIT » izay hialan’i Royaume Uni ao amin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) izany. Tsiahivina fa taorian’ny fitsapan-kevi-bahoaka natao tany an-toerana tamin’ny 23 jona 2016 no nahazoan’ny mpomba izany hevitra izany ny taha 51.9%. Ho fanatontosana  ny andininy faha-50 tamin’ny fifanarahana miaraka amin’ny UE, ny Anglisy sy ny firenena 27 mikambana ao dia nanapaka fa roa taona no nanomanana ny fialany. Nitohy hatramin’ny omaly ny fanalana ireo sainam-pirenena eoropeanina tamin’ny andrim-panjakana sy ireo tranom-panjakana maro  nanehoana ny maha tsy mpikambana intsony an’ny Royaume Uni. Nanambara ny Praiminisitra Boris Johnson fa voalohany tamin’ny tantaran’izao tontolo izao no nisian’izao ary tombontsoa maro amin’izay hatreto no hositrahan’ny fireneny indrindra ny eo amin’ny lafiny ara-toekarena. Na izany aza  mbola maro ny lalana aleha ary sarotra ny fandidiana hatramin’ny farany taona 2020 satria mbola anatin’ny teteza-miampita hatrany  ny brexit hatramin’ny farany volana desambra izao. Mbola hisy ny fihaonana isaky ny 3 herinandro amin’ny Vondrona Eoropeanina hiresahana ny fifanarahana maherin’ny 600 tsy vita. Mbola sarotra ny asa miandry ity Praiminisitra ity ary mila manaporofo amin’izao tontolo izao ny tombony lehibe izay ambetiteniny tamin’ny fialan’ny Royaume Uni tamin’ny UE ny tenany.

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT