Any Ivelany

Potiky ny rivo-doza i Mozambika Miantso fanampiana iraisam-pirenena


  • Alatsinainy 25 Martsa 2019

Mbola hiangarana i Madagasikara raha samy firenena. Nahita faisana i Zimbabwe sy Mozambika taorian` ny fandalovan` ny rivo-doza IDAI farany teo. Raha ny tatitra farany, miisa 259 no namoy ny ainy ary 257 no tsy hita popoka Zimbabwe.

 

 

 

Ho an` i Mozambika, 400 mahery no namoy ny ainy ary an-jatony maro no mbola karohina. Ho an`i Mozambika manokana, an-tapitrisa no traboina, 90%n` ny fahasimbana, 600 000 no traboina… Mila sakafo sy rano ny ao an-toerana ka tsy ampy ny fanampiana avy amin`ny firenena mikambana (ONU) sy ny efa misy any an-toerana. Miantso vonjy amin`ny iraisam-pirenena ny firenena mikambana manoloana ny voina nahazo an` i Mozambika ka nanao antso avo ny seketera jeneralin` ny ny firenena mikambana, Antonio Guterres amin`ny hampitomboana ny fanampiana izay omena ireo traboina ao Afrika afovoany: Malawi, Zimbabwe, Mozambika… Ny firenena mikambana rahateo efa namoaka vola mitentina 20 tapitrisa dolara saingy mbola tsy ampy. Raha tsy voavaly haingana dia ahiana hisy fihetsiketsehan’ireo olona sahirana sy traboina any Mozambika. Manampy trotraka izany ny vidin` ny entana toy ny sakafo izay miaka-bidy noho ny fanararaotana. Ankoatra olana eo amin’ny fiahiana ny maha olona, fotodrafitrasa maro no dibo-drano tanteraka. Sarotra no hanarina ny firenena hoy ireo mpandinika ny toekarena raha miresaka an’i Mozambika. Tsy tafiditra ao anatin` ny tetibolam-panjakana sady tsy nampoizina ihany koa fa ho goavana ny fahasimbanana nateraky ny rivo-doza IDAHI. Tsy maintsy ny fanampiana avy amin` ny Firenena Mikambana no hahafahana manohitra ny krizy mety ho avy. Olana mipetraka ny fisian` ny kolikoly ao an-toerana ka mampihemotra ny firenena sasany. Raha ny vinavina dia tafiakatra ho 2 tapitrisa ireo tsy manan-kialofana ao Mozambika.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT