Any Ivelany

Polisy manararao-pahefana any amin’ny faritra Tokony hodinihina eny amin’ny parlemanta, hoy ny SMM


  • Alakamisy 08 Aogositra 2019

Mitaraina amin’ny fanararaom-pahefana ataon’ny polisy, indrindra fa any amin’ny faritra ireo olona nametraka fitarainana fa diso tafahoatra loatra ny fanararaotana fahefana ataon’izy ireo.

 

 

 Ny any amin’ny faritra Betsiboka, Sofia ary  Atsimo andrefana no tena hanjakan’ny fanararaotana, hoy ny vaovao.  Nambaran’ny filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara na SMM, Atoa Clément Jaona fa maro ireo fitarainana momba izany tonga eny amin’ny fiadidiana ny Repoblika, saingy, tsy ahazoan’ireo mitaraina valiny mahafa-po. Tsy any amin’ny faritra ihany fa ny eto an-drenivohitra koa, hoy ny fanazavany. Nilaza ny filohan’ity sendikan’ny mpitsara ity, fa tokony halefa hodinihan’ny parlemantera eny anivon’ny antenimieram-pirenena, ny momba ireo fitarainana sy ny fanararaotam-pahefana ataon’ny polisy ireo ary jerena koa ireo  sazy mifandraika amin’izany. Farany, tsy tokony halefa eny amin’ny fiadidiana ny Repoblika intsony ny fitarainana fa any fiadidian’ny primatiora, hoy ny fanazavany.

 

Sitraka r.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT