Any Ivelany

Philippine Tifirina ho faty izay tsy manaja ny fihibohana


  • Zoma 03 Aprily 2020

Maherin’ny 50 000 ny maty maneran-tany, ary ary efa maherin’ny 1 tapitrisa ny olona voamarina fa tratry ny Covid 19, ka ny 500 000 amin’ireo dia any Eoropa avokoa. Mbola ho sarotra ny ady, raha jerena amin’ny fitomboan’ny olona maty, indrindra ireo any amin’ireo ivon’ny aretina amin’izao fotoana izao. Voasokajy ho krizy mafy indrindra teto ambonin’ny tany taorian’ny ady lehibe faharoa no lalovan’izao tontolo izao ankehitriny.


ITALIE: MITADY HITSOAKA AN-DAHARANA NY MPITSABO…

Italie hatrany no mitana ny laharana voalohany amin’ny isan’ny olona maty. 760 indray no ripaka tao anatin’ny 24ora. Tafiakatra 13 915 ny maty. 4668 ny tranga vaovao voamarina, izay mitovitovy amin’ireo efatra andro lasa ihany. Manomboka mitaintaina amin’ny faharerahana tafahoatra ny mpitsabo, ary manomboka mitsoaka ny hopitaly dieny mbola tsy tandindonin-doza loatra ny ainy, ary indrindra mbola tsy nifindran’ny valanaretina. Tratry ny tsindry tanteraka amin’ny hamahana ny fihibohana sy tsy fahafahana mivoaka ny trano ny governemanta kanefa mety hohalavaina hatramin’ny tapaky ny aprily farahafahakeliny.

 

 ESPAGNE: TRATRA NY ISA 10 000

Tafiakatra 10 003 ho an’ny olona maty ho an-dry zareo Espaniola, izay laharana faharoa aorian’I Italie amin’ny firenena be maty indrindra. Tao anatin’ny 24ora mantsy dia nahatratra 950 ny isan’ny olona maty tany amin’ity firenena ity. Mahatratra 110 000 kosa ireo olona mitondra ny Covid-19. Na izany aza dia misy fihenany kely ny tahan’ny fiakaran’ny voa satria niampy 7,9% teo izany, raha nahatratra 18 tamin’ny herinandro ambony. Manomboka manana tsirim-panantenana noho izay antontan’isan’ny voa izay ny Minisitry ny fahasalamana Salvador Illa, ary naneho fa efa miditra amin’ny dingan’ny fahalefahan’io areti-mandringana io izy ireo. Ny toekarena miha mitotongana, mahazo vahana ny fahantrana, ary mandindona ny tsy fananan’asa faobe.

 

DONALD TRUMP: “HO HENJANA IO HERINANDRO IO”

Ny 85% amin’ny Amerikanina amin’izao fotoana izao no mihiboka tsy mivoaka ny trano. Manahy ary efa nilaza ny Filoha Donald Trump fa ho henjana iny herinandro ho avy iny. Efa mieritreritra hahatratra 100 000 hatramin’ny 240 000 ny ho fatin’ny coronavirus. Mahatratra 216 000 ny voa any amin’ity firenena ity, ary 5116 ny efa maty, ka ny 884 no maty tao anatin’ny iray andro, izay sokajiana ho isan’ny maty be indrindra tao anatin’ny iray andro tany an-toerana hatreto.  Mitontongana ny toekarena, ary betsaka ny very  asa. Tao anatin’ny andro vitsy izao dia tafiakatra 6,6 tapitrisa ny taratasy fangatahan’asa voaray. Mafy noho ny krizy tamin’ny 2008 ity, hoy ny Filoha Amerikanina.

 

PHILIPPINE: TIFIRINA HO FATY IZAY TSY MANAJA NY FIHIBOHANA

Nanome baiko ny polisy hitifitra sy hamono ireo olona tsy manaiky ny fihibohana ny Filoham-pirenen’I Philippines Rodrigo Duterte. Efa ny alarobia teo ny kabary naneho izany, saingy mbola adihevitra lehibe maneran-tany amin’izao fotoana izao. “Raha hampiditra sy hiteraka olana, dia aleoko mandefa anao any am-pasana”, hoy izy nampitandrina. Raha 3,9 miliara ny olona eto ambonin’ny tany asaina mihiboka dia, ny Filipianina ny 110 tapitrisa amin’ireo. Ny ankamaroan’ireo mponina any anefa, dia sahirana tanteraka, ary tsy an’asa.

 

BANKY IRAISAM-PIRENENA: HANETSIKA 160 MILIARA DOLARA

Mihevitra ny hamoaka vola 160 miliara dolara ao anatin’ny 15 volana ho avy ny Banky Iraisam-pirenena. Natao hanampiana ireo firenena maro amin’ny fiatrehana ny krizy ara-pahasalamana io, ary hanohanana ihany koa amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny toekarena. Ity no krizy mafy indrindra teto ambonin’ny tany taorian’ny ady lehibe tamin’ny 1945, hoy ny Sekretera Jeneralin’ny Firenenana Mikambana Antonio Gutteress

 

BRITISH AIRWAYS : MPIASA 28 000 VERY FIHINANANA

Nanapa-kevitra ny Kaompania Britanika British Airways fa hampitsahatra mpiasa 28 000, izay manome 60% amin’ny mpiasa rehetra manodina ity orinasa goavana eo amin’ny tontolon’ny fitaterana an’habakabaka ity. Miandry ny fivoaran’ny toe-draharaha ireo, fa naman’ny mihantona tanteraka amin’ny asany izany hatreto. Ny orinasa Amerikanina Boeing ihany koa dia manomana « plan de départs volontaires » na drafi-pialana an-tsitra-po ho an’ireo mpiasa, izay hivoaka amin’ny antsipirihany amin’ny herinandro ambony. Ny Vondron’orinasa Accor, izay misehatra amin’ny tontolon’ny fandraisam-bahiny kosa dia nanapa-kevitra nanakatona ny 2/3n’ireo hoteliny maneran-tany.

Nangonin’i Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

Hijery ny tohiny
FTT