Any Ivelany

PELE NOTSAHOAN’NY “RFI” FA MATY


  • Talata 17 Novambra 2020

Notsahoan’ny Fampahalalam-baovao Frantsay RFI fa maty ny olo-malaza maro omaly, ka isan’izany I Edson Arantes do Nascimento na I Pelé,

 

 ilay kintan’ny baolina kitra Brezilianina, ny Mpanjaka Anglisy Elisabeth II, Ali Khamenei mpitarika ambony indrindra (guide supreme) Iranianina, ny Filoha Cubain Raul Castro,… Niparitaka tamin’ny “internet” sy ny fampahalalam-baovao izany omaly, ka isan’ny tena niely ny an’I Pelé. Niala tsiny ny RFI avy eo, fa olana teknika no nahatonga izany. Efa nisy ny antontan-kevitra momba ireo olo-malaza, ary toa efa nomanina ny famoahana ny filazana manjo momba azy, saingy lasa aloha. I Pelé manokana dia feno 80 taona ny 23 oktobra teo izy, ary mbola velon’aina soamantsara. 

 

 

FIFANINTSANAN’NY CAN-EKIPAN’I GABON

 NAMPATORIANA TAO AMIN’NY SERANANA

 Nihitsoka tao amin'ny seranam-piaramanidin'I Banjul any Gambie ireo mpilalaon'i Gabon alin’ny alahady hifoha alatsinainy, tsy nisy fandriana, tsy nisy seza. Tao izy ireo no natory noho ny olana ara-taratasy sy ny resaka fitiliana covid-19, izay voalaza fa tsy nanan-kery tany Gambie ny fitiliana vitan’izy ireo. Omaly maraina vao nilamina ny raharaha, ary tonga dia nikatroka nanao ny lalao miverina ao anatin’ny fifanintsananan’ny CAN tamin’i Gambie ny hariva. Resy 2-1 ny Gabonais. Naneho ny alahelony I Pierre-Emerick Aubameyang, ka naneho fa efa 2020 izao ary maniry mba hivoatra amin’izay aty Afrika amin’ny fomba tahaka izao. Nanaitra ny tompon’andrikitra samihafa toy ny CAF ity mpilalaon’ny Arsenal ity.

 

 

IRAK

 OLONA 21 NOVONOINA OMALY

 Olona 21 no nohelohina ho faty tany Irak ka notanterahina omaly alatsinainy ny famonoana azy ireo, araka ny fanambarana nataon’ny Fanjakana Irakianina. Asa fampihorohoroana sy vono olona no heloka nanenjehana azy ireo. Ny ankamaroan’izy ireo dia voasaringotra tamin’ny asa fampihorohoroana nahafatesana olona am-polony tany Tal Afar, izay matetika hisehoan’izany.

 

 

DONALD TRUMP

MIZIRIZIRY AMIN’NY HEVINY

Midangana hatrany ny olona voan’ny covid-19 any Etazonia izay manodidina ny 150 000 isan’andro eo. Ny sabotsy teo izao dia 159 165, ary 139 084 kosa ny alahady. Mahatratra iray tapitrisa mahery ny voa tao anatin’ny herinandro. Ny raharaham-pifidianana mbola mitohy etsy ankilany. Mbola nanamafy sy miziriziry ny Filoha Amerikanina Donald Trump omaly alahady, fa izy no mpandresy tamin’ny fifidianana. Manomboka mandeha ny tsindry samihafa amin’izao fotoana izao. Voizin’ny haino aman-jery tandrefana fa maro ny dosie miandry an’i Donald Trump vao tsy filoha eo intsony, ary mety hampidoboka azy am-ponja. Isan’izany ny resaka hetra izay mbola tsy mikatona ny dosie.

 

 

EMMANUEL MACRON

 NANDRAY AN’I MIKE POMPEO SAINGY…

 Manao fitsidihana firenena maro amin’izao fotoana izao ny Sekreteram-panjakana Amerikanina Mike Pompeo, izay sokajiana ho fitsidihana fanaovam-beloma na “Tournée d’adieu”. Ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron no nandray azy, tao amin’ny Lapan’i Elysée omaly. Nanaiky ny fandraisana an’iPompeo I Macron, saingy mitodika any amin’I Joe Biden, ary naneho fangaraharahana tamin’ny ekipan’i Joe Biden. Isan’ireo Mpitondra ambony niarahaba voalohany an’i Joe Biden i Macron, ary nifandray an-tariby taminy.

 

 

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

Hijery ny tohiny
FTT