Any Ivelany

Paris - Frantsa Miha mitombo isa ny voalavo


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Miha mitombo isa ny voalavo ao Paris renivohitra Frantsay, naparitak’ireo mpandroaka fako vao maraina ny horonantsary mirakitra izany, sary izay nalaina ny 9 desambra 2016 teny amoron’ny reniranon’i La Seine.

Tsy tamin’io ihany anefa no nahitana voalavo maro be nivangongo tao anaty dapam-pako fa efa ho herintaona izay, hoy ny fijoroana vavolombelona nataona mpandroaka fako iray.Ankoatry ny tahotra amin’ny aretina dia voalaza fa misy masiaka ary tena misaoty sy manaikitra avy hatrany ireto voalavo lehibe ao Paris ireto, hoy ny fitarainan’ireo mpandroaka fako vao maraina.

 

Savorovoro tany Kinshasa RDC

6 no maty

Miha mafana ny toe-draharaha any amin’ny repoblika demokratikan’i Kongo (RDC).Olona 6 no maty omaly tao Kinshasa renivohitra raha ny tatitry ny firenena mikambana.Izay no vokatry ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo andian’olona nidina an-dalambe taorian’ny antso nataon’ny Comité Laic de Coordination.Maro ihany koa ny karazana fihetsiketsehana amina faritra maro samihafa manerana ny firenena, ho fanoherana ny filoha Kabila izay efa lany fotoam-piasana tamin’ny 2016 kanefa tsy mbola misy ihany ny fifidianana. 

 

Tafika Tiorka

Nanafika any avaratr’i Syria

Nanomboka nanafika ireo andian-tafika Kurde, sokajiana ho mpampiorohoro mitoby ao avaratr’i Syria ny sabotsy teo i Tiorkia, daroka baomba avy amin’ny alalan’ny fiaramanidina mpiady sy tifitra tafondro no nisantarana izany.Omaly dia efa tafiditra tao amin’ny tanànan’i Arfin ny miaramila Tiorka.Nampitandrina ireo olona mety hitabataba na hanakiana ity ady ity ka hidina an-dalambe sy hilanja sora-baventy ao Tiorkia ny filoha Recep Tayyip Erdogan.Hahita raharaha ianareo ary hifanehitra amin’ny polisy ka mipetraha tsara , hoy izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT