Ny vondrona tsy miankina amin’ny fanjakana Sherpa sy Peuples solidaires dia nanambara ny alakamisy teo fa nametraka fitoriana any amin’ny fitsarana any Paris ho an’ny orinasa Koreana tatsimo Samsung izay mpikirakira ireo fitaovana elektronika toy ny telefonina.
Ity fitoriana ity dia mahakasika ny tsy fanajana ny zo fototry ny mpiasa sy ireo fepetra amin'ny asa ao amin'ny orinasa Samsung any Shina sy Korea Atsimo.
Pékin – Sina
Efa miha madio ny rivotra
Raha ny fanambaran’ny Greenpeace omaly dia nahitana fahatsarany ny fahadiovan’ny rivotra ao amin’ny faritr’i Pekin tamin’ny taona lasa iny saingy mbola sarotra ho an’i Sina manontolo ny hiady amin’ny fahalotoan’ny tontolo iainana noho ny mbola hampiasan’ireo olona any amin’ny faritra hafa ivelan’i Pekin arina fandrehitra entina hanafanana ao an-trano, kanefa ny setroka avoakan’ireo no tena anisan’ny fototra mampaloto ny rivotra iainana.
Emmanuel Macron
Ankafizin’ny 44%-n’ny Frantsay
Araka ny fanadihadiana nataon’ny Kantar Sofres-OnePoint nivoaka tamin’ny gazety boky iray Le Figaro omaly Alakamisy, dia nahitana fahatsarana ny fitokisan’ny vahoaka Frantsay an’i Emmanuel Macron izay manana isa 44% sy i Edouard Philippe manana isa 42% ho an'ny volana 2 nifanesy. Ireo mpitantana ireto dia efa nahazo ny isa ambany indrindra tamin’ny volana novambra, i Emmanuel Macron dia 39% ny isany ary i Edouard Philippe nanana 36%.
Malaysia Airlines MH 370
Averina indray ny fikarohana azy
Taorian’ny fandehanan’ny sambo iray hanao fikarohana ny talata teo dia nanatanteraka fanaovan-tsonia tamina orinasa tsy miankina Amerikanina Ocean Infinity ny fitondrana Malezianina ho famerenana ny fikarohana ilay fiaramanidina Malaysia Airlines MH 370 izay nanjavona niaraka tamina mpandeha miisa 329, tamin’ny 4 taona lasa. Ity orinasa Amerikanina ity dia anisan’ireo havanana amin’ny fikarohana an-dranomasina, ka hanomboka izany fikarohana izany any amin’ny tapaky ny volana janoary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.