Any Ivelany

Orinasa misehatra amin’ny voatabia any Nizeria Mahatratra 20 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola


  • Alatsinainy 24 Febroary 2020


 

Miha mahazo aina ny toekarena nizeriana amin’izao fotoana izao. Tamin’ny taona 2018 dia efa navotan’ny sehatra harena ankibon’ny tany izany izay nampiakatra ho 6,5% ny harinkarena faoben’ny fireneny. Nisy vokany lehibe mantsy ny ezaka manokana natao tamin’ny fitrandrahana ireo harena ankibon’ny tany sasantsasany izay tsy mbola notrandrahana nandritra ny fotoana maharitra. Ankehitriny dia misy indray ny fampiasana ny ozinina misehatra amin’ny voatabia any an-toerana. Ity farany izay lehibe indrindra manerana an’i Afrika ary tafakatra hatrany amin’ny 20 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola atao ao. 5 taona no nananganana ny orinasa ary ny groupe Dangote no tompon’antoka amin’izany. Any Avaratr’i Nizeria no misy ity ozinina mpanangona sy mpanodina ny vokatra voatabia ity. Niara-niasa tanteraka tamin’ny sinoa ny firenena nizeriana ary afaka nanangona hatrany amin’ny 22 miliara dolara ka ny ampahany amin’izany no izao hanaovana fandraharahana amin’ny fividianana voatabia amin’ny alalan’ny ozinina Aliko Dangote izao. Tanjona ny hampiroboroboana ny orinasa any an-toerana mba hiteraka asa avy hatrany ho an’ny tambanivohitra ary indrindra hamerana ny fifindra-monina. Ankoatr’izay dia tombony hatrany ny fitrosan’i Nizeria tamin’ny sinoa tamin’ny sehatra hafa satria mazava tsara ny fepetran’ny fitrosana natao. Ny singa mamaritra ny trosa (ratio de l’endettement) any an-toerana ihany koa dia tena mbola ambany. Ny fifehezana ny toerana malalaka ifanakalozan’ny kaontinanta afrikana (zone de libre échange continental na ZLEC) sisa no mila anaovan’i Nizeria ezaka. Raha ny eto Madagasikara dia tokony hisy ny fiarovana mafy ny orinasa Malagasy tahaka ny any an-toerana amin’ny alalan’ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana mba hampakatra ny fahaiza-manao. Tsara alain-tahaka ary mila misintona lesona hatrany ny firenena Malagasy, indrindra ny amin’ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola tahaka izao izay tokony hanainga haingana ny toekarena.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT