Any Ivelany

Orinasa Ambatovy Teratany vahiny 150 handeha hody


  • Alarobia 27 Mey 2020

Hiala any Toamasina anio ireo teratany vahiny niasa tao Ambatovy miisa 150 avy amina firenena samihafa. Hisy fiaramanidina manokana haka azy ireo, hitondra azy ireo hitodi-doha any amin’ny firenena nihaviany avy.

 

 Nisy andiany efa lasa taloha, teratany Afrikana tatsimo. Maromaro moa ny mpiasan’Ambatovy voamarina fa mitondra ny tsimok’aretina Covid-19, ary nisy ilay teratany Filipiana iray nindaosin’ny fahafatesana ny 19 may 2020 noho io tsimokaretina io. Nokianin’ny fanjakana mafy ny orinasa Ambatovy tamin’ny fipariahan’ny covid-19. Orinasa mamelona olona an’aliny anefa io, ary isan’ny iankinan’ny toekarena Malagasy. Mampanahy izao fodiana sy fampodiana ireo teratany vahiny izao amin’ny mety ho fikatonana tanteraka. Andrasana izay mety ho fanampim-panazavana avy amin’ny orinasa na ny fanjakana.

Toky R sy J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Faha-250
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

taonan’ny fahaleovantenan’i Etazonia

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

Hijery ny tohiny
FTT