Any Ivelany

Ny Rado Rafalimanana Nifanjevo tamin’ny zandary…


  • Alatsinainy 03 Febroary 2020

Feno sakana isan-karazany ny lalanay. Nihitsoka amin’ny lalam-potaka ireo kamio be dia voatery manao “transbordement” izahay.

 

Na ireo zandary irahinareo aza dia mahatsapa fa antony tsy mitombina ny hanaovana anay teo Marozevo, Vohidiala, Sahabe Morarano Chrome, hoy ny Rado Rafalimanana omaly, raha nihazo an’i Tanambe any Alaotra hitondra fanampiana ho an’ny traboina izay voasakantsakana teny an-dàlana. Milaza ny zandary izay mitam-basy, fa nahazo baiko avy amina kolonely tsy hamela anay handeha, hoy izy. Namaly bontana kosa ny avy amin’ny zandarimaria, fa vao nandalo voina ny faritra Alaotra Mangoro, ka noho izany dia mila arahi-maso daholo ny fandalovana amin’ireny toerana vao avy namboarina ireny. Nosavaina ny taratasy sy ny fanamarinana ny entana, saingy teny an’avona no navaly chef de poste tao Vohidiala hoe: na inona na inona ataonareo, dia izahay tsy maintsy mandeha, hoy ny fanazavana. Fiara mirotoroto, ary saika voadona ary maty raha tsy nahay niala ny zandary, hoy ny fanazavana avy amin’ny zandary. Mbola afaka teo Amparafaravola, ary nandeha mafy ka teo Ambohijanahary 8km tsy hidirana an’i Tanambe no voasakana. Fandikan-dalàna noho ny tsy fanekena fampijanonana sy ny tsy haneho ny taratasy, hoy ny zandary. Araka ny andininy faha-121 amin'ny didim-panjakàna 63-253 ny 09 mey 1963 mamaritra ny asan'ny zandarimariam-pirenena dia azo atao ny mampijanona amin'ny fomba rehetra ny olona tsy manoa ny fampijanonana rehefa avy nampitandremana in-telo, hoy hatrany ny fanazavana. Isaorana Andriamanitra tsy notifirina izy fa mbola mandala ny fihavanana ny zandary tao an-toerana ka mbola nomena fampitandremana am-bava fotsiny ihany, hoy ny zandary. Tsy misy resaka fisavana “papier” fa baiko, hono ny azy ireo, hoy kosa i Ny Rado Rafalimanana. Inona no tsy nanomezana ny antontan-taratasy hosavana raha mitombina tokoa ny fanazavan’ny zandary ? Fanampiana amin’ny maha olona (aide humanitaire) ary maika noho ny voina mahazo no hoentina ka hisiana sakantsakana izay mety ho baiko politika raha ny fandraisan’ny an-kilany azy. I Ny Rado Rafalimanana moa dia efa naneho  fa izy no Ambasadaoron’ny WFDD (World Fund Development and Planning) izay rantsan’ny Firenena Mikambana ka 25 tapitrisa dolara no natokan'ny WFDP hotantaniny. Sao dia mahatsiaro tena ho takona ihany koa ny fanjakana dia mandeha ny antsojay? Lasa adihevitra ity raharaha ity!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • MOYEN ORIENT
  • Talata 21 Aprily 2026

Mikatso ny diplaomasia, ambivitra

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

Hijery ny tohiny
FTT