NOSY MAORISY

Nosamborina noho ny raharaha famotsiambola ny praiminisitra teo aloha


  • Alatsinainy 17 Febroary 2025

Anisan'ny firenena tsy misangy amin'ny ady amin'ny kolikoly ny atsy amin'ny nosy Maorisy.

Nosamborina ny faran'ny herinandro teo ny praiminisitra teo aloha Pravind Jugnauth sy ramatoa vadiny noho ny raharaha famotsiam-bola.Naharitra ora 3 ny fisavana ny tranon'izy ireo ka tratra tao ny valizy miisa 4 feno vola vahiny (Dollar, Euro, Francs, Livre sterling, Rand, Dirham,...) niaraka tamina famataranandro lafo vidy sy tapakila avy amina Hôtely any ivelany ary antontan-taratasy mombana fivahinianana any ivelan'ny nosy Maorisy amin'ny anaran-dRamatoa Kobita Jugnauth, vadin'ity Praiminisitra Maorisianina teo aloha ity. Ity farany moa no lehiben'ny Fitantanam-bola ao amin'ny My Holidays Ltd, orinasa misehatra amin'ny fizahantany, miorina ao Pointe-aux-Canonniers, izay efa voasambotra niaraka tamin'i Josian Laval Deelawon, "Chief Executive Officer" eo anivon'io orinasa io. Ny Financial Crimes Commission (FCC) no miandraikitra ity fanadihadiana ity.


Ny taona 2017 no lasa praiminisitra i Pravind Jugnauth, nandimby an-drainy Aneerood Jugnauth. Mbola voatazona ho praiminisitra ihany izy ny taona 2019. Niongotra tamin'ny toerany izy ny taona 2024 rehefa resy tamin'ny fifidianana faobe ny vovonana politika nisy azy.
RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT