Any Ivelany

Nosy Kaomoro Mifanenjana ny samy mpiasan'ny fahasalamana


  • Alatsinainy 04 Mey 2020

Misavoritaka tanteraka ny eo anivon` ilay hopitaly ao Nosy Kaomoro izay nahitàna ireo olona maty maherin` ny 20 isa.

 

 

Mahatsiaro tena tsy voaaro manoloana aretina noho ny fiatrehana ny asany ireo mpitsabo indrindra ireo mpitsabo mpanampy. Milaza hitory azy ireo anefa ny lehiben` ny hopitaly saingy naninzingizina tsy hiasa ireo mpitsabo mpanampy ireo ary nilaza fa hitory ny hopitaly noho ny tsy fisian` ny fiarovana ireo mpiasa manoloana ny tsy fitsaboana ireo marary. Vao herinandro teo no nahitana olona maty 20 mahery sy marary ny fitaovam-pisefoana maro eny amin`ity hopitaly ity. Mbola manjavojavo an` ny vahoaka ny fanambarana amin` ny hoe miisa iray ny tranga voamarina mitondra ny tsimokaretina COVID-19 any Kaomoro taorian` ireo olona maro be namoy ny ainy vokatry ny fahasemporana. Hatreto dia mbola tsy nandray fepetra fihibohana ny governemanta araka ny nambaran` ny filoha kaomorianina satria mivelona amin`ny asa sehatra tsy ara-dalàna ny mponina any an-toerana. Ireo izay nifanerasera tamin` ilay olona voamarina fa tratran` ny coronavirus no natoka-monina raha ny fanapahan-kevitry ny governmanta ao Nosy Kaomoro.

Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT