Nodimandry tao Paris omaly 26 septambra teo amin’ny faha-86 taonany ny filoha Frantsay teo aloha Jacques Chirac, rehefa nolazoan’ny aretina an-taonany maro.
Nitondra an’i Frantsa teo anelanelan’ny taona 1995-2007, izany hoe nahavita fe-potoam-piasana roa, izay filoha faha-5 tao anatin’ny Repoblika faha-5 frantsay ny tenany. Mpitarika politika malaza, ary izy no namorona ny Antoko RPR (Rassemblement pour la République). Anisan’ny nanamarika ny tontolo politika frantsay tao anatin’ny 40 taona, ary nandalo lalana maro satria efa mpanolotsaina monisipaly, mpanolotsaina jeneraly, depiote, minisitra tanora ary anisan’ny novolavolain’ny filoha Frantsay Georges Pompidou (Nitondra teo anelanelan’ny 1969-1974), ben’ny tanànan’i Paris (1977-1995) ary lasa filoham-pirenena avy eo. Efa praiminisitra tamin’ny fitondran’i Valéry Giscard d'Estaing sy François Mitterrand ihany koa izy. Raha ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’i Madagasikara sy Frantsa, dia nandamina ny amiraly Ratsiraka tamin’ny raharaha 2001-2002 i Jacques Chirac. Na somary nangatsiaka am-boalohany aza ny fifandraisana tamin’i Frantsa amin’ny ankapobeny taorian’ny krizy, dia nafana teo aminy sy i Marc Ravalomanana, ka niara-niasa tanteraka ny roa tonta. Novatsian’ny Frantsay vola ny tetikasa goavana, toy ny fanamboarana ny lalana Boulevard de l’Europe, Anosibe, fotodrafitrasa maromaro tao Mahajanga,... In-droa tonga teto izy, ka ny jolay 2005 no nitokana ireny fotodrafitrasa ireny. Nandeha an-tongotra tamin’iny lalana Anosibe iny izy sy ny filoha Marc Ravalomanana tamin’izany, ary nanamarika ny diany teto ny tsangambato teo Angarangarana Anosibe. Vao niala teo amin’ny fitondrana izy, dia toa nanaraka izay ny dian’i Marc Ravalomanana satria voatonontonona ho tao ambadiky ny raharaha 2009 ny filoha teo aloha Nicolas Sarkozy akaiky ny filoha Rajoelina, izay vao tamin’ny janoary lasa teo no nandalo teto. Omaly ihany moa dia nandefa taratasy fiaraha-miory amin’ny anaran’ny tenany manokana sy ny Vahoaka Malagasy any amin’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron ny filoha Rajoelina. Notsiahiviny ny finiavana nananan’i Jacques Chirac tamin’ny fitsidihany teto ny taona 2005.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.