Nitsimbadika ny fifidianana tany Frantsa

Lasa ny ankavia no voalohany, resy indray ny RN


  • Talata 09 Jolay 2024

Nitsimbadika ny rasa tamin’ny fifidianana tany Frantsa teo amin’ny fifidianana solombavambahoaka

natao ny alahady 07 jona teo. Nivarina any amin’ny laharana faha-3 ny RN (Rassemblement National sy ny mpiara-dia aminy) na ny hery ankavanana izay voalohany tamin’ny fihodinana voalohany ary nanana ny maro an’isa, raha nijanona teo amin’iny ny fifidianana. Toy izao ny fitsinjaran’ireo toerana 577 mandrafitra ny antenimieram-pirenena Frantsay : Ny Nouveau Front Populaire izay hery ankavia no voalohany nahazo 182, Divers Gauches na ireo hery ankavia sasany 13 ; ny Assemble izay nivondronan’ireo mpanohana ny Filoha 168 ; ny Rassemblement National sy ny mpiara-dia aminy 143 ; Les Républicains sy ireo hery ankavanana hafa nahazo 60 ; ary ireo tsy dia misongadina na « autres » 11. Raha amin’ny antsipirihana sy tsinjaraina araka ny fironana politika, dia ny vondron-kery havia nahazo toerana 195 ny (FNP+Autres gauche), ny La France Insoumise nahazo seza 71, eo alohan'ny Antoko Sosialista izay nahazo seza 64, Les Ecologistes-EELV (33), ny Antoko Kaominista Frantsay 9, ary ny fikambanana havia hafa izay mizara ny seza telo farany. Ny antokon’i Emmanuel Macron sy ny mpiara-dia aminy kosa nahazo seza 168, ka 98 ho an'ny Renaissance, 34 ho an'ny MoDem ary 26 ho an'ny Horizons. Seza enina "divers centre" no mameno io vondrona afovoany io. Ny Rassemblement national (RN) miara-dia amin'ny Repoblikan'i Eric Ciotti izay efa voalaza fa nahazo 143 kosa, dia mitsinjara ho 126 avy amin'ny antoko tarihin'i Marine Le Pen sy Jordan Bardella, ny 17 hafa avy amin'ny fiaraha-miasa eo amin'ny antoko farany havanana sy ny Repoblikana. Ny Les Republicains kosa moa 45, izay ampiana seza 15 hafa amin'ny havanana. Na teo aza ny fitsimbadihan’ny fifidianana, tsy nisy ny nahazo ny maro an’isa, ka tsy maintsy miditra amin’ny fifandaminana na « cohabitation » indrindra fa ny antokon’ny fitondrana, ka asa izay ho Praiminisitra ? Tsy tena mbola tafapaka ary mahamailo mafy ny Frantsay izany ilay foto-kevitra kaonservatera, tsy te hahalala afatsy ny tena Frantsay, sarotiny sy manenjana amin’ny mpiavy,… Tsy niandry ela, fa ampitson’ny fifidianana ihany dia nametra-pialana ny Praiminisitra Gabriel Attal ho fanajana ny fenitra Repoblikanina satria tsy nahazo maro an’isa ny antoko natarihiny, saingy nolavin’ny Filoham-pirenena. Nitazona azy i Macron omaly, mba hiantohana ny famarinan-toeran’ny Firenena Frantsay. Mba aiza ho aiza amin’ny endri-pifidianana sy ny politika any eto amintsika ? Rahoviana vao mba hahay hanetry tena hiala rehefa tsy mahomby ? Rahoviana vao mba hisy fifidianana madio ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Loza tsy roa aman-tany
  • Talata 01 Septambra 2026

any Népal Efa maherin'ny 900 ny

  • Harenan'i Elun Musk
  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Nitotongana an-jatony

  • Fangatahan’ny marary mba ho faty
  • Alakamisy 16 Jolay 2026

Nankatoavin’ny depiote Frantsay ny « euthanasie »

  • Papa James sy ny ankohonany
  • Alatsinainy 13 Jolay 2026

Lasibatry ny fikomiana any Afrika Atsimo

  • Fandevenana an’i Ali Khamenei
  • Alatsinainy 06 Jolay 2026

Vahoaka 20-30 tapitrisa no hanome voninahitra…

  • Hafanana mahery
  • Talata 30 Jona 2026

vaika any Eoropa Maherin’ny 1300 ny maty,

Hijery ny tohiny
FTT