Nirefotra ny adin’i Iran sy Isiraely

Mafy ny vokany sy fiantraikany eran-tany…


  • Alatsinainy 16 Jona 2025

Mafampana ny toe-draharaha iraisam-pirenena ateraky ny adin’i Iran sy Israel,

izay nifamely tamin’ny daroka baomba nanomboka ny 13 jona teo. Ny fifandonana ankehitriny eo amin’i Iran sy Israely dia vokatry ny fifandrafiana ara-tantara sy ara-pinoana efa taon-jato maro, nitohy tamin’ny Revolisiona Islamika tamin’ny 1979,… Ny zoma teo, nitifitra toerana manan-danja ara-miaramila sy nokleary tao Iran i Israel, ka anisan’ny tena nasiany ny toby fanodinana uranium ao Isfahan sy Natanz. Mpitari-tafika sy siantifika Iranianina maro no maty, ka anisany ny Jeneraly Hossein Salami, lehiben'ny "Gardiens de la Révolution" mpitarita-tafika mahay sy kinga indrindra ary tena manana ny toerany any Iran. Nambaran’i Isiraely fa “fihetsika mialoha” hiarovana amin’ny fandrahonana nokleary avy amin’i Iran izany izay efa nomanina nialoha sy hatry ny ela satria heverin’izy ireo fa efa akaiky ny fahafahan’i Iran manamboatra fitaovam-piadiana nokleary. Tondroin’i Israel tamin’ny alalan’ny Praiminisitra Benyamin Netanyahou ho mikasa hamotika sy hamafa ny firenen’izy ireo eo amin’ny saritany i Iran. Ny Iranianina kosa namaly tamin’ny alalan’ny baomba balistika sy drones, izay namely tanàna maro tao Isiraely, anisan’izany i Tel Aviv sy Haifa. Nanamafy ny fanafihana tamin’ny alalan’ny « Operation Rising Lion », izay nitifitra toerana stratejika ao Teheran ny Israelianina, ka anisan’izany ny Foiben’ny minisiteran’ny fiarovana sy ny tetikasa nokleary, toby fitahirizana solika.

MANAO AHOANA NY FAHAVOAZANA?
Nahafaty olona 78 farafahakeliny ny fanafihan’i Isiraely an’i Iran, anisan’izany ireo manamboninahitra ambony sy mpahay siansa nokleary. Rava ihany koa ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa ara-nokleary sy angovon’i Iran, toy ny toby fanadiovana sy fitahirizina (solika sy entona) ao Téhéran sy Bushehr. Efa namely an’i Yemen ihany koa aza i Israel alina mba hamonoana ireo mpitarika ara-miaramila sy mpikamban’ny Vondrona Houthi izay mpiara-dia amin’i Iran. Andaniny, nahafaty olona 13 ny fanafihan’i Iran, nahitana ankizy sy vehivavy. Maro no naratra, rava ny trano fonenana ary voakitika ny tobim-pikarohana siantifika.

IZA NO MIARAKA SY MANOHANA AN’IZA ?
Ny mpiara-dia amin’i Iran dia voafaritra anatin’ny hoe : « Axis of Resistance » ahitana ny Hezbollah (Liban), Hamas (Gaza), Houthi (Yemen), milisy Shiita ao Iràka, ary fanjakana toa an’i Syria, Saingy maro amin’izy ireo no mbola tsy niditra an-tsehatra mivantana amin’ity ady ity. Ny Rosianina sy ny Sinoa ihany koa eo amin’ny lafiny politika sy jeopolitika, dia momba an’i Iran. Andaniny, i Israely, dia mahazo fanohanana ara-diplaomatika sy ara-teknika avy amin’i Etazonia, Frantsa, Angletera, ary firenena maro ao amin’ny Vondrona Eoropeanina. Tahaka izany ihany koa ireo Firenena Arabo sasany toa an’i Arabia Saodita sy Emira Arabo Mitambatra izay manohana an’i Israely amin’ny fomba ankolaka. Nandefa fiaramanidina mpiady fanampiny any amin’ny faritra Moyen Orient izay misy tobiny ny Anglisy sy Etazonia, saingy tsy mbola miditra mivantana amin’ny ady.

FIANTRAIKANY : POLITIKA, STRATEJIKA, TOEKERANA
Mety hitarika amin’ny firodanan’ny fifampiresahana momba ny nokleary eo amin’i Iran sy Etazonia. Mety hiteraka ady midadasika kokoa ao Afovoany Atsinanana, izay efa marefo noho ny ady tany Gaza sy Syrie. Nitombo 10% ny vidin-tsolika Brent taorian’ny fanafihana, ary mety hiakatra hatrany raha mitohy ny ady. I Moyen-Orient no mitazona ny 2/3 amin’ny tahirin-tsolika eran-tany. Mitazona ny 30 hatramin’ny 40% amin’ny famokarana solika, ary 20% amin’ny gaz natoraly. Mety hisy fiantraikany lehibe kokoa raha mikatona ny détroit d’Hormuz, izay andalovan’ny 20–30% amin’ny solika eran-tany. Hiantraika amin’ny vidin’entana, fitaterana sy ny taham-piakaran’ny vidim-piainana (inflation),... Hiantraika mivantana amin’ny Firenena toa antsika izay mpiankin-doha fa tsy mpamokatra. Raha miditra amin’ny krizy ara-toekarena ny firenena mandroso, dia mety hihena ny fanampiana ara-bola sy ny tetikasa fampandrosoana ho an’i Afrika. Ho antsika, 80 hatramin’ny 85% amin’ny volam-panjakana aza mbola angatahina. Efa nataon’ny Fitondrana fialana bala teto ny covid-19, ny ady any Ukraine,… dia tonga indray io ny any Iran sy Israel. Mila politika ara-toekarana miompana amin’ny tena famokarana sy fahaleovantena avy ato anatiny.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT