Niongana ny PM Bayrou, sahirana i Macron

Tsy nitsitsy ny parlemantera Frantsay,


  • Talata 09 Septambra 2025

ny antsika misolelaka sy mandany vola…

Mafampana ny politika ao Lafratsa ! Miditra amin’ny herinandro iray voasokajy ho mety ho anisan’ireo mahery vaika indrindra amin’ny tantaram-pirenena i Frantsa. Tratry ny fitsipaham-pitokisan’ny Antenimiera tamin’ny alalan’ny « vote de confiance » notanterahina omaly hariva ny Praiminisitra François Bayrou. Izy no praiminisitra voalohany amin’ny Repoblika V frantsay voatery hiala noho ny tsy fahazoana fanohanana ara-parlemantera. Maro ireo antony : politikam-pitsitsiana henjana narosony izay mikendry ny hampihenana ny fandaniana ny 44 miliara euros amin’ny taona 2026. Ny fampihenana ny fanampiana ara-tsosialy, ny fomba fiteny manambany nataony tamin’ny mpanohitra niteraka hatezerana lalina na dia tao amin’ny antokony aza,... Praiminisitra faharoa taorian’i Élisabeth Borne (Mey 2022 – Janoary 2025) ho an’ny taom-piasan’i Macron i François Bayrou, raha fahaefatra tao anatin’ny taom-piasana roa, ka izy no Praiminisitra fotoana fohy indrindra tao anatin’ny 8 taona. Eo anatrehan’ny fahalavoan’ny governemanta, voatery hijery haingana izay ho solon’i Bayrou I Macron. Saingy tsy misy antoko manana maro an’isa, ary tsy misy fifanarahana politika mazava, izay manamafy ny krizy politka ao anatin’ny fitantana’i Macron amin’izao taom-piasana faharoa izao. Ny Parti Socialiste dia milaza fa vonona hitarika, saingy nolavin’ny Repoblikana io safidy io. Mandritra izany, manomana ny fametrahana “motion de destitution” hanesorana an’i Macron amin’ny toerany ny La France Insoumise (LFI) tarihin’i Jean-Luc Mélenchon. Nanamafy i Manuel Bompard, depioten’ny LFI, fa hatolotra anio 9 Septambra izany fangatahana ofisialy izany, miaraka amin’ny fanambarana fa “ny filoha no fototry ny krizy rehetra”. Nialohan’io, nisy ny fidinana an-dalambe, nanao hetsi-panoherana tamin’ny faran’ny herinandro ka nidongadina ny hoe: “Macron démission”, “Non à l’Europe”, ary “Bayrou dehors”,... Nisongadina ny famotehan’i Florian Philippot, mpitarika ny antoko Les Patriotes ny saina eoropeana teo anoloan’ny Sénat ho mariky ny fanoherana ny “fanjakana anjakan’ny vahiny”. Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, nihemotra ny tsenan’ny vola, nanao fitokonana ny mpiasa amin’ny Radio France, ary niteraka fifandirana ara-diplomatika ny fanehoan-kevitra amerikana momba ny ady amin’ny fanavakavahana. Nanemotra ny fanendrena manampahefana 52 i Macron, izay heverina ho fiezahana hanalefaka ny fikorontanana ara-politika. Ny mey 2027 no tapitra ny taom-piasan’i Macron, saingy mafampana 2 taona tsy hiafarany. Mbola sarotsarotsarotra ny dingana fanesorana azy, saingy miharihary ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika. Lesona azo tsoahina ny hoe : tena sarotiny amin’ny resaka tombotsoa ambonin’ny Firenena, fiainana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny any, ary tena miasa sy mandray andraikitra ny parlemantera vao tsy mahomby ny fitantanana, fa tsy « mpisolelaka » na mpiaro governemanta tsy mahomby sy mifampiaro amin’ny ratsy, mandany volam-bahoaka fotsiny,… toy ny ankamaroan’ny eto !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Any Ivelany

  • Ady any Moyen-Orient
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Miakatra ny vidim-piainana

  • NEPAL, 7 volana aty
  • Zoma 03 Aprily 2026

aorian’ny tolona Mivadika ho hery politika

  • ADY ANY IRAN
  • Alarobia 25 Martsa 2026

Mihamafy hatrany ny fifandonana,

  • ADIN'NY AMERIKANA SY ISRAËLY
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

AMIN'I IRAN

  • Dimy andro
  • Alakamisy 05 Martsa 2026

aty aorian’ny fipoahany

Hijery ny tohiny
FTT